Taratra

TSELATRA

Raim-pianakaviana iray 52 taona maty nilatsaham-potaka tany Bemasoandro, kaominina Mahatsinjo, distrikan’i Maevatanàna, ny alahady lasa teo. Teny an-dalana hamonjy fodiana izy io, niaraka tamin’ny olona telo hafa. Nandroaka omby efatra izy ireo no nirefotra tampoka ny varatra ka niantefa taminy. Tsy nisy naninona kosa ireo omby. Lehilahy roa nosamborin’ny Polisy […]

Saika handroba volam-piangonana: Vehivavy novonoina, roa lahy voasambotra

Voasambotra ireo jiolahy namono vehivavy iray teny Ambatolampy Tsimahafotsy izay nikasa hangalatra ny volam-piangonana. Novo­noina ny tompon-trano rehefa tsy nahazo ny volabe izy ireo, ny alin’ny 31 marsa hifoha 1 avrily lasa teo. Hiakatra fitsarana, anio, ilay mpiambina namono ny mpampiasa azy sady nan­droba ny entana sarobidy tao amin’ny fokontany […]

Fanafihan-jiolahy : Fito lahy nisaron-tava nandroba 6 tapitrisa Ar

Lelavola 6 tapitrisa Ariary niampy finday avo lenta efatra sy firavaka volamena noraofin’ny jiolahy fito lahy tao Toa­masina, ny alahady 13 avrily teo. Nandositra ireo mpandroba. Novakian’ireo olon-dratsy ny fidirana ny trano, tamin’ny 03 ora maraina. Nisalotra lamba mainty ireo mpandroba sady nanafina endrika. Nilanja antsibe rahateo izy ireo. Tsy […]

Polisy nitifitra olona : Nitokona ny mponin’Ilanivato Anosipatrana

Nitokona manoloana ny biraon’ny polisy eny Ilanivato Anosipatrana ny mponina, halina. Voalaza fa nisy polisy nitifitra olona teny an-toerana. ”Fiarovan-tena ny anay”, hoy kosa ny polisy. Nitangorona nanoloana ny biraon’ny polisy eny Ilanivato ny fokonolona, omaly tamin’ny 7 ora sy sasany hariva. Nahatonga ny fitokonana nataon’ny mponina ny fitifirana lehilahy […]

Asan-jiolahy ao Toamasina : Nanova fomba fiady indray ny jiolahy

Nisy ny baiko hentitra nampetraky ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, sy ireo minisitra misahana ny fandriampahalemana izay nivory nikaton-trano tao amin’ny tobin’ny miaramila Jenia etsy Mangarano Toamasina, ny 5 avrily lasa teo. Vokany, nihamafy ny fisafoana ataon’ny mpitandro filaminana. Tsy tery lalana anefa ireo jiolahy fa nanova paikady indray. […]