Roa lahy voatondro ho nanao asa fanendahana voatsatok’antsy tao Tsarahonena, kaominina Alakamisy-Anosiala, distrikan’Ambohidratrimo, ny alin’ny zoma 11 avrily teo. Samy naratra nivoa-dra, izy roa lahy. Nitaraina ho niharan’ny fanendahana ny raim-pianakaviana iray ka tsy hita ny telefaoniny. Tsy nanaiky io lasibatra io. Ireo roa lahy izay mponina ao anatin’ny fokontany […]
Taratra
Nihazona vola sandoka : Lehilahy iray voasambotra
Voasambotry ny polisim-pirenena noho ny raharaha fitazomana vola sandoka ny lehilahy iray tany amin’ny distrikan’ Ambatoboeny. Voarohirohy sy tratra nitazona vola sandoka mitentina 3 100 000 Ariary izy io. Vola 20 000 Ariary miisa 155 ireo vola ireo. Naharay antso avy amin’ny olon-tsotra ny mpitandro filaminana fa misy olona mitondra […]
Sabotsy Namehana : Ankizy mirahalahy niara-maty an-drano
Niara-namoy ny ainy, ankizilahy roa izay 11 taona sy 12 taona tao Sabotsy Namehana, ny sabotsy 12 avrily teo. Zanak’olona mpirahavavy iray tampo izy ireo. Vatana mangatsika an’ireo ankizilahy roa sisa no nalain’ny mpiara-monina azy ireo tao anaty dobo, tao amin’ny fokontany Amorondria, kaominina Sabotsy Namehana, distrikan’Avaradrano, afakomaly. Niara-nilalao izy […]
Tahirim-bola Decim: Nampahafantarina ireo kojakoja niomerika
Laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana ny hampiroborobo ny fampiasana ny niomerika hikirakiran’ny rehetra vola sy ho fisitrahana angovo, indrindra any amin’ireo lavi-toerana. Nampahafantarina, omaly, tamin’ny fomba ofisialy ireo kojakoja niomerika natao ho an’ny rehetra na ny «Appareils numériques abordables» tanterahin’ny tahirim-bola «Digital and Energy Connectivity for Inclusion in Madagascar» (Decim). Kendrena manokana ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Hatsangana ny fotodrafitrasa, toby mpihary herinaratra vaovao, eny Ambohimanambola, manana tanjaka 105 MW. Hanomboka amin’ny 24 avrily izao ny asa, satria efa tonga eny an-toerana daholo ny ankamaroan’ny fitaovana sy ny kojakoja ilaina. Tanjona ny tsy hiankinandoha amin’ny vondrona mihary herinaratra avy amin’ny tsy miankina. Natsangana ny tanimboly ho vala […]




