Nampihaona ny tanora sy ny orinasa teny amin’ny Kianja mitafo Ankorondrano, nandritra ny roa andro, ny “Tsenaben’ny asa sy ny fiofanana”, andiany faha-16. Hetsika ho fanampiana ireo tanora amin’ny fitadiavana asa sy ny fiofanana mbola eritreretiny hatao izany. Sehatrasa marobe no azon’ireo tanora mpitsidika nisafidianana. Misy koa ny fisokafan’ny orinasa […]
Taratra
Toamasina: Nomena torolalana amin’ny asa ny tanora
Nivoitra tamin’ny fihaonana tany Toamasina, omaly, ny fanatsarana ny fampananana asa ho an’ny tanora sy ny hamerenana ny lafiny fandriampahalemana any an-toerana. Anisan’ny tany an-toerana ny minisitry ny Asa sy ny fampananana asa, Razakaboana Hanitra. Niatrika izany koa ny avy amin’ny sehatra tsy miankina, ahitana mpandraharaha ary ireo orinasa vaventy. […]
Taorian’ny orambe: Niakatra avokoa ny renirano telo
Nanambara ny Apipa tamin’ny filazana momba ny fandehan’ny rano eto amin’ny lemak’Antananarivo fa niakatra 0,16 m ny reniranon’i Sisaony, eo amin’ny maridrefin’Andramasina, omaly maraina, tao anatin’ny 24 ora ka mahatratra 0,95m ny haavony. Tombanana hidina kosa ny haavony ho an’ny 12 ora manaraka. Niakatra koa ny haavon’Ikopa ka 1,42m izy […]
Fanohanana ny UNFPA: Ho fahaleovantena sy tantsoroka ho an’ny vehivavy
Natao sonia teny Andraharo ny fiaraha-miasan’ny UNFPA sy ny AFG Bank Madagascar hitondra tombontsoa ho an’ny vehivavy sy ny tanora manokana. Hiara-kiasa ny AFG Bank Madagascar sy ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA). Momba ny fahaleovantenan’ny vehivavy ara-bola izany, indrindra ho an’ireo niharan’ny herisetra. Eo koa ny fanohanana […]
Fanamboarana ny zotra an-tariby TPC: Vita ny 90% ny asa, hiditra amin’ny fe- petra tsy maintsy horaisina amin’izay
Efa maro ireo tsy mahandry ny handehanana amin’ny teleferika. Efa vita 90% ny asa, ho am-perinasa rehefa tomombana ny pitsopitsony rehetra. Andrana ara-teknika no tena atao sisa. Hapetraka ny orinasa hitantana ny fitaterana ary harafitra ny fepetra tsy hanohintohina ny fotodrafitrasa. Nanao ny tatitra ny avy ao amin’ny sekreteram-panjakana miadidy […]




