Taratra

« Ma voix compte » : Hihazo an’i Mahajanga indray ny fampirantiana saripika

Fampirantiana mitety tanàn-dehibe. Efa tontosa ny tany Antsiranana, Ambanja ary Antsohihy, ny faran’ny herinandro teo. Hitodi-doha any Mahajanga indray ny “Ma voix compte”, entin’ny fikambanana Sar’Nao. «Ma voix compte», azo hadika tso­tsotra hoe «ma­nan-danja ny feoko». Fam­pirantiana mitety tanàn-dehibe izy ity, izay iarahan’ny fikambanana Sar’Nao miketrika amin’ireo mpiara-miombon’ antoka aminy, […]

FANTINA sy FINTINA

Nohitsin’ny depiote Gascar Fenosoa fa miharihary loatra ny mizana tsindrian’ila amin’ny fanomezana fahazoan-dalana hamory vahoaka. Nanteriny koa fa tsy mipetraka ny tsy tokony hiandanian’ny mpitandro filaminana, OMC. “Aleo hitovy ny fampiharana ny lalàna ho an’ny rehetra ary tsy tokony hatahotra fanehoan-kevitra tsy mitovy ny mpitondra”, hoy izy. Niompana amin’ny fanatsarana […]

Fihaonana an-tampon’ny COI : Vonona amin’ny fiarovana ny fitondram-panjakana

Fanomezana fahafahana hizaha ny lafiny ara-pitaovana sy fiarovana mifandraika amin’ny fitsidihana ara-panjakana sy ny fihaonana an-tampon’ireo filoham-panjakana, indrindra ny fandraisana fepetra fisorohana sy ny fitantanana ny fandraisana an-tanana izay trangan-javatra mety hiseho, raha ilaina. Izay ny fivoriana fandrindrana notarihin’ny minisitry ny Foloalindahy, ny jeneraly Sa­hivelo Lala Monja Delphin, teny amin’ny […]

Loza hatrany

  Natao ihany ny tsy hiteny amin’ity lozam-pifamoivoizana miseholany etsy sy eroa ity. Isan’andro vaky izao, misy hatrany ny maratra na maty. Mihamaro ny kamboty tsy fidiny, na nilaozan-janaka tsy satry. Mijininika ny ra manerana ny tanàna. Sanatrian-dresaka fa tsy asian’ilay olombelona vidiny intsony ilay atao hoe aina. Betsaka amin’ny […]

Fahatongavan’ireo delegasionina vahiny: Nohatsaraina tanteraka Antananarivo Renivohitra

Mba tsy handalo fotsiny ihany. Manomboka hita taratra ny fiovan’ny eto Antananarivo Renivohitra tato ho ato. Handray ny fihaonana an-tampon’ny COI rahateo isika, tsy ho ela. Herinandro vitsy izao no am-perinasa avokoa ireo sehatra samihafa isan’ambaratonga ary somebiseby amin’ny fanatsarana sy ny fanadiovana ny tanàna. Tafiditra amin’ny handraisana ny fihaonana […]