Taratra

Randrianarivelo Hery Mamy Holin : Nataony ho fitadiavam-bola ny talentany

Asa iray hita eto Madagasikara sady betsaka mpanao ny fanetezam-bolo. Misy ireo nianatra izany fa eo koa ireo efa nahafehy izany tsy nisy fiofanana natao, anisan’izany Randrianarivelo Hery Mamy Holin, mpanety iray etsy Ambohijatovo. Anisan’ireo mpanety volo etsy Ambohijatovo, manana ny traikefany, Randrianarivelo Hery Mamy Holin, lehilahy iray 55 taona. […]

Haitao ara-kajy mirindra : Voaofana ny vehivavy ao Fitovavy

23 mirahavavy ireo nahavita fiofanana mahakasika ny haitao ara-kajy mirindra tao Manakara, faritra Fitovinany, ka notolorana mari-pankasitrahana sahaza izany. Tonga tany ny minisitry ny Mponina, Razafinjato Aurélie, nisaotra ireo vehivavy manana fikirizana amin’ny fianarana ny fikirakirana izany haitao ara-kajy mirindra izany. Fisokafana amin’ny sehatra marolafy indrindra ny fiseraserana, eny hatrany […]

SOMBIM-BAOVAO

Araka ny vaovao niely tao anaty tambajotra, omaly, dia nisongadina indray i Njiva, lohalaharan’ny Barea. Nahatafiditra baolina telo, tamin’ny lalao nihaonana tamin’ny Khonkaen FC, ny tenany, ny alahady lasa teo, tany Thailande. Nandresy tamin’ny isa 7 no ho 4 moa ry Njiva sy ny klioba misy azy: Ratchaburi FC. Mandray […]

Club Natation ESCA : Dimy taona nioty fahombiazana

Anisan’ireo sekoly manana klioba eo amin’ny taranja lomano ny Esca Antanimena. Feno dimy taona amin’ity ny Club natation Esca. Tsy navelan’izy ireo handalo fotsiny izany fa nankalazainy niaraka tamin’ireo mpianatra beazina ao an-toerana. Tamin’ny alalan’ny fifaninanana isaka ny kilasy, no natao ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny dobo filomanosana Esca. […]

ASIEF 2025 : Taranja 21 no hifaninanana

Anatin’ny fanomanana sahady ny fifaninanana nasionaly, izay hatao any Mahajanga, ny eo anivon’ny Asief (Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires), amin’izao fotoana izao. Fepetra maro no horaisina amin’ity taona ity mba hanatsarana ny fifaninanana. Anisan’ny zava-dehibe ny mahakasika ny taranjam-panatanjahantena hifaninanana izay hisy vaovao amin’ity taona ity, raha ny […]