Nitafa tamin’ny mpanao gazety ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, omaly, taorian’ny fivoriana mikaton-trano nataon’ireo depiote teny Tsimbazaza. Nandiso ireo vaovao niely ny tenany tamin’izany. «Tsy marina ny tsaho miparitaka amin’ny tambajotran-tserasera ny amin’ny filazana fa horavana ny Antenimierampirenena sy ny birao maharitra eto amin’ity Andrimpanjakana ity », hoy izy. Nohamafisiny ny […]
Taratra
TSELATRA
Telo lahy mpangalatra fitaovana famokarana herinaratra amin’ny herin’ny masoandro, voasambotra teny Anosibe, afakomaly. Tratra teny amin’izy ireo ny entana avy nangalariny. Nataon’ny polisy fanadihadiana ireto farany. Fiara miisa dimy nifandona teny amin’ny RN4, teo amin’ny PK125+980, fokontany Kiva, kaominina Ankazobe, afakomaly. Olona efatra naratra ka voatery nanaraka fitsaboana. Tsy nisy […]
Nivarina tanaty hantsana: Hita faty ivelan’ny kamiao ilay mpamily
Nivoaka ny arabe, lasa tany amin’ny 80 metatra miala ny lalana ny kamiao iray teny amin’ny RN2, 12 km tsy hidirana an’i Moramanga, afakomaly. «Ahina ho tratrin’ny torimasofotsy ihany io mpamily io raha ny fahitanay ny zava-misy teny an-kianja», hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny zandarimaria misahana ny fanadihadiana miasa ao an-toerana, […]
Fanondranana olona any Sina : Efatra mianadahy notanana am-ponja
Nahazoan’ny tambajotra mpanondrana olona mankany Sina vola mitetina 100 tapitrisa Ar tsirairay avy ireo vehivavy lasibatra, araka ny voka-panadihadian’ny polisy eo anivon’ny sampan-draharaha misahana ny fanadihadiana Manokana sy ady amin’ny hosoka ary fanondranana olombelona, afakomaly. Niakatra fampanoavana ny alatsinainy teo, notanana vonjimaika any am-ponja avokoa ireo efatra miandahy mpanondran’olona ho […]
Fahafatesana mampiahiahy: Miaramila iray maty voatifitra tao anaty toby
Miaramila iray, avy namita iraka tamin’ny hetsika “Riri 2026” no maty voatifitra tao anaty toby, omaly. Voan’ny bala teo amin’ny tratrany sy teo amin’ny sandriny havia izy. Miaramila telo lahy nahitana porofo mampiahiahy. . Nipoaka tampoka ny basy tao amin’ny toby miaramila « Bataillon Infanterie Ihosy», omaly maraina tamin’ny 3 […]





