Fahamarinan-toerana politika? Lazain’ny mpandinika sasany fa misy sy iainana izany amin’izao. Manana ny maro eny anivon’ny parlemanta, ohatra, ny mpitondra. Eny, hatrany ifotony aza izany, raha jerena ny fifandanjan-kery amin’ireo olom-boafidy eny anivon’ny kaominina. Tsy misy na tsy atahorana ny asa fampandrosoana amin’ izany? Eny, na tsy mitsaha-mitabataba amin’ny […]
Taratra
Filoha Rajoelina Andry : “Zo sy adidy ny miady hampandroso an’i Madagasikara”
Nampita hafatra ho an’ny vahoaka malagasy ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny fanamarihana sy fahatsiarovana ny 29 marsa. Navoitrany tamin’izany ny tokony hanehoana ny fitiavan-tanindrazana. “Tsy avelantsika ho raraka an-tany ny ran’ ireo Malagasy nitolona ho an’ny fanavotana sy fahafahana ho an’ny firenena. Mitaky adidy entanin’ny fitiavan-tanindrazana ho antsika taranaka mifandimby […]
TSELATRA
Mpisoloky roa lahy voasambotry ny polisy teny Ampefiloha, afakomaly. Soloin’izy roa lahy finday tsy mandeha intsony ny entana omeny ny mpividy aorian’ny fifampivarotana. Nametraka fitarainana ny lasibatra ka tratra izy roa lahy. Nogiazana ny finday fanaovan’izy ireo io asa ratsy io. Raim-pianakaviana nanolana ny zanany vavy vao 11 taona tratran’ny […]
Anosizato Atsinanana : Jiolahy telo maty voatifitra
Lavon’ny balan’ny polisim-pirenena ny jiolahy telo mpanao asa ratsy teny Anosizato Atsinanana, ny alahady 30 marsa teo. Manoloana ny tsy fandriampahalemana mateti-pitranga sy mampitaraina ny mponina eny an-toerana, nanao hetsika manokana ny polisy eo anivon’ny SAG. Nanao fisafoana amin’ny alina ny ekipan’izy ireo ary nanao fanamiana sivily teny amin’iny faritra […]
Tsy fandriampahalemana: Fasana telo novakin’ny jiolahy
Noraofin’ny jiolahy avokoa ny taolambalo tao anatin’ny fasana roa novakin’izy ireo tao amin’ny fokontany Antanifotsy, kaominina Ankazondandy, distrikan’i Manjakandriana, ny alin’ny alahady 30 marsa teo. Fasana efa nidanadana no hitan’ny mpandalo. Nampandre ny tomponandraikitra sy ny tompom-pasana ity farany. Nojerena ny tao anatin’ny fasana, kinanjo efa nokorontanin’ireo tsy valahara. Naka […]




