Taratra

Nisandoka ho mpanao moto : Roa lahy voasambotry ny zandary

Voasambotry ny mpitandro filaminana teny Mahazoarivo ny iray tamin’ireo roa lahy mpisoloky sady mpangalatra moto, ny 26 marsa teo. Mody manamboatra moto satria mitonon-tena ho matihanina amin’izany izy ireo. Ataony andrana izay vitany ka tsy mipoitra intsony izy ireo aorian’izay. Entiny mandositra ny fananan’olona. Tompona moto iray lasibatra teny Soamanandrariny […]

Voapoizina tamin’ny sakafo : telo mianaka namoy ny ainy

Samia mitandrina! Mahazo vahana ny fanapoizinana ara-tsakafo. Telo mianaka indray no niara-namoy ny ainy, omaly. Voalaza fa nihinana ”mortadelle” izy ireo. Misokatra ny fanadihadiana. Olona telo mianaka nia­ra-namoy ny ainy tao amin’ny hopitaliben’i Toamasina, afakomaly. Maty vokatry ny fihinanana sy tsy fahazakana mortadelle izy ireo, raha ny angom-baovao voaray. Namoy […]

« N4G Paris 2025 »: Nohamafisina ny tanjona fahavitantena ara-tsakafo

Atao any Paris ny fivoriambe iraisam-pirenena ma­hakasika ny fahavitantena ara-tsakafo. Lohahe­vitra noraisina ny hoe « Tran­dra­hina ny paikady mahomby hanatsarana ny sakafo: mandray anjara daholo ny mpisehatra voakasika rehetra, amin’ ny alalan’ny traikefa samihafa ananan’ny firenena tsirairay ». Nohaza­vain’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Faha­vintantena ara-tsakafo (SESA), Razanamahefa Tahian’ny Avo, fa laharam-pahamehan’i Mada­gasikara ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Nanatanteraka fitsidihana sekoly teto an-drenivohitra ny Team Heros sy ny All Stars Madagascar, omaly. Anisany nanaovan’izy ireo izany ny EPP Ambohipo. Tanjona amin’izany ny hiombonana sy ny hanatsarana ny fanavaozana ny sekolim-panabeazana eto Madagasikara. Nomontsanin’i Argentine tamin’ny isa 4 no ho 1, ny Seleçao Bresil, afakomaly, tao amin’ny Kianja Estadio […]

Rugby – «Challenger series 2025» : Hidona voalohany amin’ny Makis i Canada

Navoakan’ny Federasiona iraisam-pirenen’ny rugby na ny “World Rugby”, tao amin’ny tranokalam-pifandraisany, ny faran’ny herinandro teo, ny fandaharan-dalao amin’ny dingana faharoa hiadiana ny “Challenger series 2025”, amin’ny rugby lalaovina olona 7. Fihaonana, hotanterahina any Pologne, ny zoma 11 sy ny sabotsy 12 avrily ho avy izao. Raha ho an’ny sokajy “B” […]