Taratra

Nivavaka maraina ny tompony : Fiara 4×4 lasan’ny jiolahy teo an-tokotanim-piangonana

Tonga hatrany am-piangonana ny asan- jiolahy any Toamasina, amin’izao fotoana izao. Fiara tsy mataho-dalana ana kristianina nivavaka tao amin’ny fiangonana Betela Tanambao fahadimy nalain’ny olon-dratsy, omaly maraina. Araka ny angom-baovao, namonjy fotoam- bavaka maraina toy ny mahazatra, niditra tamin’ny 6 ora ny tompon’ny fiara. Napetrany tao ivelany io fiarany io. […]

Imerintsiatosika : Mpanera hita nisy namono

Mpanera tany sy trano iray hita faty tao amin’ny tanànan’i Tsiazokararo, fokontany Avarabary, kaominina Imeritsiatosika, ny marain’ny sabotsy 22 marsa teo. Tsikaritry ny mpandalo iray ny fisiana olona nitsirara tao anaty tsenakely amoron-dalana. Nojereny, olona efa mpivezivezy eny amin’ny fokontany ary tsy vaovao amin’ny manodidina izany. Tsy nisy aina intsony […]

Fefiloha vaky tetsy Ambohijanaka: Zaza mianadahy maty lasan’ny rano

Olona telo mianaka lasan’ny rano vokatry ny fefiloha vaky tany Ambohijanaka, ny alin’ny sabotsy lasa teo. Hita omaly maraina ny vata-mangatsiakan’ireo zaza mianadahy raha toa ka avotra soa aman-tsara ilay raim-pianakaviana. Hita omaly maraina ny vata-mangatsiakan’ireo zaza mianadahy : 10 sy 6 taona, lasan’ny rano tetsy Ambohijanaka, ny sabotsy alina […]

Rugby – XXL Top 12 : Hiady izay ho mpanjakan’ny kartie ny FTM sy ny TFMA

Hafana vay ny ankatoky ny famaranana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12”. Adin’ny samy kartie sy fifanandrinan’ny samy boaty no hitranga. Anisan’izany ny an’ny TFMA Ankasina sy ny FTM Manjakaray. Hifantoka etsy amin’ny Kianja Makis Andohat­a­penaka avokoa ny sain’ ny mpitia rugby, rahampitso. Hotanterahina eo mantsy […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina ny 29 avrily hatramin’ny 4 mai ho avy izao, any Casablanca Maroc, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny taranja tolona, sokajy zandriny. Maniry ny handefa solontena sivy amin’ity fifanintsanana ity ny Federasionina malagasin’ny tolona. Mitohy hatrany ny fanomanana ataon’izy ireo eny Am­pefiloha isaky ny sabotsy. Lany ho […]