Taratra

Fifanintsanan’ny Mondial 2026 : Miandrandra fandresena amin’i Ghana ny Barea de Madagascar

Hifantoka atsy Maroc avokoa ny sain’ny mpitia baolina kitra malagasy anio. Hifandona amin’ny Barea de Madagascar ny Black Star Ghana. Hiankina amin’io tokoa ny mety hahamora sy hahasarotra ny dian’ny Barea any amin’ny Mondial 2026. Tonga ity ny fotoana! Hotanterahina anio, ao amin’ny kianja Al Hoceima Maroc, ny lalaon’ny Barea […]

TARATRY ny KANTO

Anio, alatsinainy 24 marsa, amin’ny 8 ora maraina, no hanomboka ny fizarana fidiovana etsy amin’ny Kianjan’ny Kanto Imahamasina. Ny fanadiovana na fidiovana no dingana iray lehibe anisan’ny mampiavaka ny Malagasy rehefa miatrika vanim-potoana lehibe toy izao. Diovina amin’ny alalan’ny afo, tany rivotra ary rano ny tontolo sy ny olona. Zava-dehibe […]

TGC – Hosana Ambohijatovo Fitiavana: Nahatafita hafatra ny « Ambarao ny hatsarany »

Na tsy hipoka aza Antsa­hamanitra. Tsikaritra fa nahazo hery lehibe avy amin’ny fijerena ilay seho « Ambarao ny hatsarany » ireo tonga teny an-toerana. Nahatafita hafatra ny antoko mpihira Hosana Ambohijatovo Fitiavana sy ny TGC. Samy naneho ny talenta sy ny fahaiza-mihira ary ny famoahana ny tiany hampitaina rahateo ireto tarika roa […]

Taom-pikatrohana 2025: « Mahazo aina hatrany ny tontolon’ny hiragasy »

Hiragasy, kolontsaina anisan’ny mbola mahatazona ireo singa maro maha Malagasy ny Malagasy. Nosokafana, omaly, ny taom-pikatrohana 2025. Tonga maro ny mpijery… Tetsy amin’ny Kianjan’ny Hiragasy Ampefiloha no nanatanterahina ny « Hiragasy goavam-be », na­nokafana ny taom-pikatrohana 2025 ho an’ny hiragasy. Anisan’ny nampiavaka ity adin-kiragasy nifanandrinan-dRapaulson Fenoarivo Gara sy Fredy Kely avy any […]