Taratra

TSELATRA

Tsy tontosa ny hetsika fitakiana saika hataon’ny sendikan’ny paramed, tetsy amin’ny HJRA, omaly. Tsy navela niditra tao an-toerana ireo sendikan’ny Infirmier sy sage femme, raha nikasa hanao hetsika fitakiana manoloana ny olana sy ny tsy rariny mianjady amin’izy ireo. Tonga niambina sy nanakana ny hetsika saika hataon’izy ireo, teny an-toerana, […]

Fanendahana eny Anosizato: Telo lahy nalefa eny Antanimora

Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora ny telo lahy, raha toa ka nalefa eny Anosiala ny roa lahy, tamin’ny andi­an-jiolahy voasambotry ny zandary teny Anosizato Atsi­nanana, afakomaly. Mpanao asa ratsy miampy fampiasana fitaovam-piadiana toy ny antsy lavalela izy ireo. Naharay fitarainana noho ny tranga fanendahana matetika niseho teny amin’ny manodidina ny […]

Nanary zaza tetsy Befelatanana : Hatolotra ny fitsarana ny ray aman-dreniny

Mirongatra ny fahitana zaza menavava narian-dreniny eny an-dalana, anaty fako, anaty lavapiringa sy ny maro amin’izao fotoana izao. Hiharan’ny lalàna ary mitarika amin’ny fanagadrana tanteraka ny fanaovana izany. Miatrika fanadihadiana etsy amin’ny PMPM Tsaralalàna ireo ray aman-dreny nanary ny zanany tetsy Befelatanana. Miatrika fanadihadiana etsy anivon’ny Poli­sim-pirenena misahana ny fiarovana […]

Taom-pianarana 2025-2026: Notazonina ny roa volana dimy

Efa navoakan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny tetiandrom-pampianarana ho an’ny taom-pianarana vaovao 2025-2026, ny volana febroary lasa teo. Hanomboka ny 8 septambra 2025 ny taom-pianarana ary hifarana ny 25 jona 2026. Notazonina ho roa volana dimy ny fizarazarana, elanelanin’ny fiatoana fohy, herinandro iray ankoatra ny fialantsasatra ho an’ny Noely sy ny Paka. […]