Mbola malalaka ny asa miandry ireo mpisehatra ara-tsosialy eto Madagasikara. Manana andraikitra voalohany amin’ ny fampandrosoana ny firenena izy ireo. Nankalazaina afakomaly, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpisehatra ara-tsosialy. Nomarihin’ izy ireo tamin’ny alalan’ny hetsika samihafa izany. Anisan’ny nanao hetsika mahakasika izany ny teo anivon’ny sekoly ES.DES tetsy Ankadivato. Nisy […]
Taratra
Kaominina Toamasina : Hiandrandra fanovana ao anatin’ny dimy taona manaraka
Anisan’ny fanamby napetraky ny ben’ny Tanàna voafidy ao amin’ny tanànan’i Toamasina ny hitondra fanovana goavana any an-toerana ao anatin’ny dimy taona manaraka. Fantatra ireo nandritra ny fivoriana tsy ara-potoana notanterahin’izy ireo, ny herinandro lasa teo. Niatrika filankevitra kaominaly tsy ara-potoana fanindroany ireo mpanolotsain’ny Tanàna miisa 19 mianadahy avy amin’ny vovonana Irmar, […]
SOMBIM-BAOVAO
Nodimandry omaly, maraina, ny mpanazatran’ny klioban’ny Elgeco, taranja baolina kitra, ny Coach Blaise, araka ny loharanom-baovao. Raha ny vaovao voaray, nitambotsitra noho ny fahazoana fandresena tamin’ ny lalao baolina kitra, ny alahady lasa teo, no nitarika tamin’izao fahafatesany izao. Mamaram-parana ny fiofanana ataony, eo amin’ny taranja Muay Thai, amin’ity herinandro […]
Atletisma : Fifaninanana iraisam-pirenena 4 mbola hatrehina
Taorian’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pilalaovana 2025, ho an’ny taranja atletisma izay nomarihina tamin’ny fifaninanam-pirenena amin’ny cross-country. Fihaonana, notanterahina tany amin’ny ligin’Ihosy ny sabotsy 15 marsa lasa teo, fantatra fa ao anatin’ny fanomanana ireo fihaonana iraisam-pirenena indray ny federasionina malagasy ny atletisma (FMA). Miisa 4 ireo fifaninanana any ivelan’i […]
Karate – «Stage DAF» : Hiditra amin’ny andiany faharoa
Hiditra amin’ny andiany faharoa, ny fampiofanana ireo mpampianatra ny taranja karate, hahazoana ny mari-pahaizana DAF “Diplôme d’Animateur Fédéral”. Fampiofanana izay hanomboka ny 5 avrily izao ary haharitra hatramin’ny 10 mey izao, hatao eny amin’ny ANS (Académie Nationale des Sports). Ny alahady 11 mey kosa no hanatanterahana ny fanadinana mialoha ny […]




