« Noho ny faharefoana ara-jeografika, misy foana ny traboina na dia tsy mahery aza ny rivodoza », hoy ny avy ao amin’ny BNGRC. Nisy ny olona tsy maintsy nafindra toerana: tokantrano miisa 123, ahitana olona 454. Trano 119 tena dibo-drano tanteraka. Ny tao Toliara I sy Fenoarivo Atsinanana no nahitana ireo traboina […]
Taratra
Fanatsarana an’Antananarivo : Santatry ny fiovana ny eny amin’ny boriborintany
Mitety ireo mpiara-miasa amin’ireo boriborintany 6 ny ben’ny Tanàna, Ramanantsoa Harilala. Mijery ny fanatsarana tokony hatao sy manome toromarika ireo mpiara-miasa ny tenany amin’izany. Nambarany fa miainga eny amin’ny boriborintany izay akaiky ny vahoaka ny fiovana. Tokony ho hita taratra izany na amin’ny fahaizana mandray olona na ny firindran’ny asa […]
Kaominina Ambato, Ambohidratrimo: Hampandrosoina ny tanàna sy ny mponina
Nandray ny fitantanana ny kaominina ambanivohitra Ambato, distrika Ambohidratrimo, ny ben’ny Tanàna vaovao, Rakotondravao Sarobidy, avy amin’ny vovonana Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (Irmar). Tontosa ny alatsinainy 03 febroary 2025 lasa teo ny fifamindram-pitantanana teo aminy sy ny ben’ny Tanàna teo aloha. “21 taona ny kaominina Ambato, distrika Ambohidratrimo, […]
Faly Rafieferana: “Ilaina apetraka ny fanabeazana miabo
Hitondra famelabelarana momba ny fanabeazana miabo, fototry ny fandrosoana ny mpampianatra, i Faly Rafieferana. Nambarany fa ilaina ny fanabeazana miabo ho an’ny maha olona. Lohahevitra hoentiny amin’izany ny “Fanabeazana miabo fototry ny fandrosoana”. Nambarany fa mirodana ny trano rehefa ratsy fototra. Notanisainy ho anisan’ny mahatonga izany ho miiba fa tsy […]
Fanjavonan’ny ben’ny Tanàna: Voatendry ho PDS an’Antsiranana i Tiana Edmond
Tsy an-kiandriandry. Notendrena ho Filohan’ny delegasionina manokana (PDS) ao amin’ny kaominina Antsiranana I i Tiana Edmond. Nirosoana, omaly, avy hatrany ny famindram-pitantanana nandraisan’ny mpitantana vaovao ny tanàna. Voalaza ho anton’izany fanapahan-kevitra izany ny fanjavonan’ny ben’ny Tanàna vao voafidy fanindroany, i Djavojozara Jean Luc Desiré. Tsy fantatra mazava rahateo ny tohin’ny […]