Taratra

TSELATRA

Razana tsy nisy tanana sy rantsan-tongotra ary loha, potika, ary volo miparitaka no nisy nahita tany Antsohihy, omaly. Olona hamonjy asa vao maraina no nahita izany ka nampilaza ny fianakaviana. Ny talata 11 marsa teo izy no efa tsy hitan’ny fianakaviany intsony, nanomboka ny fikarohana. Efa nosamborina sy nanaovana fanadihadiana […]

Voasaringotra tamin’ny vono olona: Zandary nidoboka am-ponja

Manao ranolava ny fampidirana am-ponja zandary tato ho ato. Zandary girady G1C, misahana asa eo anivon’ny faritra Atsinanana, voarohirohy tamina raharaha fanafihana mitam-piadiana nahafatesan’olona sy fanaovana hosoka ary fisolokiana an-tambajotram-pifandraisana, ny 12 marsa teo. Niainga tamin’ny fanadihadiana, renim-pianakaviana 53 taona namoy ny ainy ny 29 oktobra 2024, tao Antanambao faharoa- […]

Mandrimena : Trano misy rihana roa may nodoran’ny mpangalatra

May kilan’ny afo tanteraka ny trano misy rihana roa tetsy Mandrimena Iavoloha, omaly tamin’ny 11 ora tolakandro. Jiolahy nanafika no tompon’antoka Voalazan’ny tompon-tra­no fa nisy olona tsy fantatra niditra sy nanapitsoka ny varavarana iray tao an-trano talohan’ny nirehetan’ny afo. Nambaran’izy ireo fa mpangalatra io lehilahy io, noho ny fihetsiny hafahafa […]

“Volana Ramadany”: Fotoana natokana hanampiana ny hafa sy hifadian-kanina

Ao anatin’ny volan’ny Ramadany tanteraka ny mpino silamo amin’ izao fotoana izao. Manan-danja lehibe amin’izy ireo io fo­toana io satria ahafahana mifehy ny va­tana sy hanomezana lanja bebe kokoa ny ara-panahy. Man­dritra izany, maro ny mpino silamo no manao hetsika fa­nampiana ho an’ny mpiara-belona aminy. Indray mandeha isan-taona ny fanaovana […]