Taratra

Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy : Mavitrika amin’ny fandraisana andraikitra izy ireo

Nifampizara traikefa sy torohevitra tetsy amin’ny An­tenimieran’ny indostria sy ny varotra Antananarivo (CCIA), afakomaly, ireo vehivavy mpitarika eto amin’ny firenena. Hetsika nanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy. Loha­hevitra tamin’ity taona ity ny hoe « vehivavy, reny, mpitarika : mpisehatra ho an’ny fanovana ». « Manan-talenta ma­nokana isika Malagasy amina sehatra maro », hoy […]

VAOVAO TAMBATRA

Tsy azo atao intsony ny fanovanana ny sorabola (avenant) amin’ny tsenambaro-panjakana rehefa vita ny fandraisana tanteraka ny asa. Tsy maintsy atolotra ny filankevitry ny minisitra na ny governemanta ny fanaovana azy raha misy. Tsy azo hahitsy koa ny fifanarahana amin’ny vola aloa mialoha (avance) raha toa ka mihoatra ny 1/3 […]

Fahadiovan’ny rivotra : Harahi-maso ny fiara mamoaka setroka

Midina ifotony ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), nanomboka ny 10 marsa teo. Nobeazina sy nentanina ny mpampiasa fiarakodia sy ny kodiran-droa mahakasika ny voka-dratsy ateraky ny setroka maloto avoakan’ny fitaovam-pitaterana, noho ny fanaovana antsirambina ny fikojakojana azy. Nitarika ny hetsika teny Andranotapahina ny minisitra Max Andonirina […]

Famokarana katsaka: Tsy ampy 100 000 taonina ny vokatra eto Madagasikara

Mifampiankina ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono. Fototry ny sakafom-biby sy sakafon’olombelona ny katsaka. Ambany ny famokarana eto amintsika, mahatratra 100 000 taonina (t) ny filana raha toa ka 150 000 t eo ny vokatra. Tsy mbola niakatra io tarehimarika io hatramin’izao ka mampananosarotra ny famokaran’ireo tantsaha izay mipaka […]

Tetikasa Lac Iarivo-Ivato : Nilamina ny mponina rehefa nahazo fanazavana

Nihaona mivantana tamin’ny mponina ao amin’ny kaominina Ivato voakasiky ny tetikasa Lac Iarivo ireo tomponandraiki-panjakana, omaly. Nitarika ny delegasiona ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana, Andriamano­hisoa Gérard, miaraka amin’ny governoran’Analamanga Rasoamaromaka Hery, sy ireo tomponandraikitra rehetra. Taorian’ny fanazavana natao dia niaiky ireo mponina fa nanao fanorenana […]