Taratra

Kasaina haondrana any Ihosy : Rongony milanja 8,10 kg sarona

Tratra nandritra ny fisavana nataon’ny mpitandro filaminana tao anaty sakaosin’ny mpandeha iray ny rongony milanja 8,10 kg, afakomaly. Fantatra nandritra ny fisavana ny entana rehetra teny amin’ny fiantsonana fiaingan’ny fiara ho any Ihosy izany. Nahazo loharanom-baovao avy tamin’ ny olona tsara sitrapo ny teo anivon’ ny tobim-paritra Betroka, tamin’ny 12 […]

Fanodinkodinana Cocaïne : Zandary enina niakatra fitsarana

Niakatra fitsarana miady amin’ny kolikoly ny zandary enina sy sivily efatra, omaly. Voampanga ho nanodinkodina Cocaïne tratra tany Nosy Be Hell ville izy ireo. Niakatra teo anivon’ny fitsarana miady amin’ny kolikoly Pac, omaly, ireo zandary enina sy olon-tsotra efatra izay samy voasaringotra tamin’ny raharaha rongony mahery vaika Co­caïne. Sarona tao […]

Fikambanam-behivavy : Tafajoro ao Mahajanga ny Famedev

Famedev, « Femmes en Action, Media, Genre et Développement », manitra hatrany ny sehatra iasany sy hitondrany fampandrosoana. Efa ahitana mpikambana eo anivon’izy ireo koa izao ny amin’ny faritra Boeny, ao Mahajanga. Ani­san’ny nandray anjara mavitrika tamin’ny fankalazana nasionaly ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy tany Mahajanga ny fikambanana, ny […]

Antsirabe : Fihaonamben’ny mpandraharaha madinika

Natao tany Antsirabe, ny 5 marsa teo, ny Fihaonam­ben’ny mpanjifa mpandraharaha, (Forum Clients) andiany faharoa. Voakasik’izany ireo mpandraharaha sy orinasa tena madinika sy salantsalany (TPE-PME). Mikarakara azy ny Sipem Banque, entina hanomezana torolalana hampiroboroboana ny fandraharahana any Vakinankaratra. Ao anatin’izany ny hikarohana fomba mahomby amin’ny sehatry ny ara-bola, ahafahana manitatra […]