Hotanterahina ny 14 Marsa izao ny fifidianana ho filoha hitantanana ny Oniversiten’Antananarivo. Telo ireo kandida mpifaninana, anisan’izany, ny Pr Rijalalaina Rakotosaona avy amin’ny Ecole Supérieure Polytechnique d’Antananarivo (ESPA). Teny manentana entiny mandritra izany ny hoe: “Hay, Andraikitra, Asa ho fampitomboana ny hasin’Ambohitsaina”. Tafiditra ao anatin’ny vinam-pandrosoany, ny hanatsarana ny kalitoan’ny […]
Taratra
Rajoelina Mialy : Antoky ny fampandrosoana ny fampianarana ireo tovovavy
Manomboka izao dia tsy hitsahatra ny hanentana ny ray aman-dreny handefa ny zanaka vavy any an-tsekoly ny vadin’ny filoham-pirenena Rajoelina Mialy. Fanalahidin’ny fampandrosoana ny fampianarana ireo tovovavy. Nampiakatra ny fahatokisan-tena sy fikirizana ao anatin’ny vehivavy ny vadin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Mialy, nandritra ny lahateniny tao Mahajanga, ny sabotsy teo, tao anatin’ny […]
Volley-CCCZone 7 : Tompondaka lefitra ny GNVB, lehilahy
Nifarana ny faran’ny herinandro teo, ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka eto amin’ny faritra faha-7, taranja Volley ball, natao tany Maorisy. Voahosotra ho tompondaka lefitra ny GNVB (Gendarmerie Nationale de Volley Ball) lehilahy, rehefa resin’ny Gecko Volley ball (TGV) tamin’ny seta 3 no no 1 (25-19/23-25/25-22/25-21), teo amin’ny lalao famaranana, […]
Smatchin : Resin’ny Emit 41 no ho 32 ny ITU
Niditra tamin’ny andro fahatelo, omaly, ny fifaninanana Smatchin, taranja basikety, andiany faha-11. Fifaninanana tanterahina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina sy eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, nanomboka ny zoma 7 marsa lasa teo. Lalao anisan’ny notontosaina, omaly, ny fihaonan’ny ekipan’ny ITU sy ny Emit ary nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa 41 […]
DAKA AN-JORONY : Aza manao fitiavana mandalo
Malaza ho sakaizan’ny mpandresy ny Malagasy raha eo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena no resahina. Raha mandresy, tsenaina sy anaovana akora lava. Aderadera etsy sy eroa ary ankalazaina ho ren-tany, ho ren-danitra. Mitsangana hatramin’ny maty, hoy ny vazivazin’ny sasany. Marina tokoa izany satria ireo tsy tazana hatramin’izay, miseho ho mpanohana avokoa […]




