Mitentina 8,7 tapitrisa dolara ny tetikasa Fier natao hanamafisana ny famatsiam-bola ho an’ny angovo madio sy maharitra eto Madagasikara. Manohana ny tetikasa ODD, Pnud, Onudi ary UNCDF. Tetikasa iaraha-miasa amin’ny fanjakana malagasy sy ireo minisitera voakasika. Nifampizara lalan-tsaina entin’ny governemanta hampandrosoana ny faritra Boeny ny minisitry ny Toekarena sy ny […]
Taratra
Mahajanga : Hamboarina ny seranan-tsambo
Sesilany ny fotodrafitrasa apetraky ny filoham-pirenena nandritra ny diany tany Mahajanga, ny herinandro teo. Tapaka fa hamboarina ny seranan-tsambo ao an-toerana manomboka amin’ity taona ity. Haharitra 10 taona ny fanatanterahana ny asa mba hahafahana mamaly ny fifaninanana iraisam-paritra sy hamaliana ny tsena an-dranomasina eo amin’ny lakandranon’i Mozambika. Tafiditra ao anatin’ny […]
Tobim-pamokarana herinaratra 5MW: Hovitaina ao anatin’ny efa-bolana
Vitaina anatin’ny fotoana fohy ny fanatanterahana ny tetikasa tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro ao Mahajanga. Napetraka ny zoma teo ny vato fototra hanatanterahana ny tetikasa. Efa-bolana. Izay no faharetan’ny fanamboarana ny tetikasa tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro hapetraka ao Mahajanga. Hanana tanjaka 5MW ny tetikasa ka tanjona ny […]
INDRAY MIJERY
Hikorontana ny toetry ny andro any an-dranomasina any amin’ny morontsiraka avaratra atsinanana sy avaratra andrefan’ny Nosy noho ny fisian’ilay rivodoza Jude ao amin’ny lakandranon’ny Mozambika. Entanina ny mpampiasa ranomasina any amin’ireo morontsiraka ireo mba hanaraka ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony. Satria, hanonja be na hahery be ny ranomasina ary ho […]
Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy : Fiofanana nataon’ny Mifam Advantista Alarobia
Niavaka ny nankalazan’ny fiangonana Advantista, ao Alarobia Ambatomanga, distrikan’Ambohimangakely ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy, ny sabotsy 8 marsa lasa teo. Koa satria nifanindry tamin’ny andro sabata izany dia fitondrana am-bavaka ireo andriambavilanitra tao an-toerana sy ireo vahiny nasaina no natao. Nikarakara ny hetsika ny fikambanana Ministère de la femme […]




