Manohy ny lalany amin’ny fiadiana ny «sevens challenger series», taranja rugby lalaovina olona 7 ny Makis de Madagascar, lehilahy. Tafiditra ao anatin’ireo firenena valo voalohany, nahazo ny tapakila hiatrehana izany ny Malagasy taorian’ny fahavitan’ireo dingana roa natao. Tontosa ny sabotsy 8 marsa lasa teo, tao amin’ny kianja Athlone Sport Stadium, […]
Taratra
Randriamiandrisoa Nicolas : 32 taona niangaliana ny taranja Taekwondo
Mpikatroka eo amin’ny taranja Taekwondo, teratany malagasy, milaravinahitra any Frantsa, Randriamiandrisoa Nicolas, fantatry ny maro amin’ny solon’anarana hoe Nicolas Ragonz. Ankoatra ny maha mpikatroka azy, mpampiofana eo amin’ny taranja Taekwondo any ivelany, nanomboka ny taona 2009 ny tenany. Handeha ho fantarina ny momba azy. Randriamiandrisoa Nicolas no tena anarany ary […]
TARATRY ny KANTO
Anisan’ny hampiavaka ny fankalazana ny Taom-baovao malagasy amin’ity taona 2025 ity ny fandraisan’anjaran’ny sekoly. « Hitombo izy ireo satria nahavita nitety sekoly maro izahay », hoy ny nambaran-dry zareo avy ao amin’ny fikambanana Maiha. Nambaran’ny filohany tamin’izany fa zava-dehibe ny fampahafantarana ny taranaka ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao malagasy. Nametraka ny […]
Tantara amin’ny onjam-peo : Miofana ireo mpikamban’ny Bira Ti’art
Mitohy hatrany ny fiofanan’ireo mpilalao tantara amin’ ny onjam-peo mivondrona amin’ny Bira Ti’Art, ao Antsirabe. Nambaran’ny mpitarika azy ireo fa ilaina ny fanamafisana hatrany ny fahaiza-manao efa ananana sy ny fifampizarana traikefa amin’ ireo mpilalao tantara avy aty Antananarivo. Ireo sangany amin’ny filalaovana tantara rahateo no tonga tany Antsirabe. « Misy […]
AFT sy IFM : Mitohy ny « Volan’ny teatra »
Volana marsa, « Volan’ny teatra ». Mitohy hatrany ny hetsika sy ireo seho isan-karazany mifandraika amin’io vanim-potoana io. Ho an’ny eto an-dRenivohitra, toerana roa no ahitana izany. Ny etsy amin’ny Alliance Française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba sy ny Institut Français de Madagascar, Analakely (IFM). Anisan’ny hetsika hotanterahina ny 15 marsa izao, ao amin’ny […]




