Nialana nenina teny anivon’ny hopitaly, namoy ny ainy, ny lehilahy 22 taona voatrobaky ny antsy tetsy Ambavahaditokana Itaosy. Iray hafa koa, novonoin’ny tsy mataho-tody tao Toamasina. Nitranga ny alin’ny talata hifoha omaly, alarobia 5 marsa, avokoa izany. Lonilony tsotra izao! Namoy ny ainy nipotsaka tsinay ny lehilahy 22 taona nandritra […]
Taratra
fahaizana mifampiresaka: « Manasitrana sy mandratra ny teny aloaky ny vava», hoy ny psychologue
Ilaina ary tena zava-dehibe eo amin’ny fahasalamana na tsia ho an’ny olona ny fahaizana mifampiresaka. Maro ny olona sitrana noho izany, misy kosa ireo marary ka ilaina ny fahaizana mandrindra izany. Manan-danja be ny teny eo amin’ny olombelona sy ny fiarahamonina tsirairay avy. Amin’ny ankapobeny, mandratra ny ankamaroan’ny olona izy […]
Jly Ravalomanana Richard: “Mampivoatra ny diplaomasia parlemantera”
Nambaran’ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, fa tena miezaka tokoa amin’ny fikolokoloana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fambolen-kazo ny tenany, miaraka amin’ny loholona sy ireo mpiasa eo anivon’ity Andrimpanjakana ity. Notsindriny fa miezaka hatrany mampivoatra ny diplaomasia parlemantera handraisana anjara amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara sy hikatsahana ny soa ho […]
Raharaham-bahiny : “Tsy voatery mitady vahaolana lavitra vao mandroso”
Nisy ny fifanaovan-tsonia lasitra politika teo amin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny Malagasy sy ny an’ny congolais, omaly teny Anosy. “Tsy voatery mitady vahaolana lavitra hatrany vao mety hoe mandroso vahaolana”, hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, teny Anosy, omaly. Taorian’ny fifanaovan-tsonia lasitra politika eo amin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy sy […]
INDRAY MIJERY
Nanome tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana ho an’ireo traboina noho ny tondradrano nateraky ny rivodoza Honde ireo mpiasan’ny fahasalamana ao amin’ny distrikan’i Beloha, ao amin’ny toeram-pandraisana EPP Zambe. Toy izany koa ny traboina ao amin’ny kaominina Androka sy Itampolo, izay samy nahazo fitsaboana maimaimpoana manandrify azy avy. Tontosa ny fanamafisam-pahalalana momba ny […]




