Hatao any Mahajanga ny filankevitry ny minisitra, rahampitso. Hitarika izany ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, miaraka amin’ny Praiminisitra Ntsay Christian ary ireo minisitra eo anivon’ny governemanta. Tanjona ny hanakaiky vahoaka hatrany, ny hitondra ireo vahaolana sy fampandrosoana miainga eny ifotony, araka ny fanambarana. Mitentina 79 miliara Ar ny vinavinan’ny tetibola […]
Taratra
MFFT sy ny Produir: Nofanina ireo ben’ny Tanàna
Nandray ireo ben’ny Tanàna avy amin’ireo tanàn-dehibe, tetsy Ankorondrano, omaly, ny avy amin’ny tetikasa Produir sy ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Niompanan’ny fihaonana tamin’ireto mpitantana eny ifotony vaovao ireto ny fomba fitantanana ny tetibolan’ny kaominina miainga amin’ny zava-misy eo an-toerana. Eo koa ny fanaovana […]
Lanja miakatra
Tsy misy fiainana mihamora izany? Dia lasa fomba fiaina sy fisaina ny fiaretana, fihafiana, fahoriana aza. Nahoana? Fahoriana sy fampijalian-tena ny fiaretana tsy anantenana fiovana sy fihatsarana amin’izay iforetana. Sanatria, izany ve no misy sy iainana amin’izao raha ny fiakaran’ny vidim-piainana? Saika mandeha ho azy ny fihafiana amin’ny fidangan’ny […]
Fanampiana traboina : Nidina ifotony tany Ampanihy ny filoha Rajoelina Andry
Nidina ifotony avy hatrany nijery ireo traboina noho ny rivodoza farany teo ny filoha Rajoelina Andry, omaly. Nitondra fanampiana sy nankahery azy ireo ny tenany tamin’izany. Fankaherezana, fanolorana fanampiana… Izay ny fitsidihana voalohan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ireo traboina any Ampanihy Andrefana, omaly, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Honde. Niara-dia taminy ny […]
TSELATRA
Trano ahitana rihana telo nirehitra tany Vakinankaratra, omaly maraina tamin’ny 9 ora sy sasany. May kilan’ny afo tao ny vola 4 tapitrisa Ariary. Court-circuit ny antony nahatonga ny firehetana raha ny fanazavana voaray. Nanomboka tany amin’ny rihana fahatelo ny afo. Simba avokoa ny entana rehetra tao amin’io trano io. Vata […]




