Taratra

Efa-mianaka resin-torimaso : Norobain’ny jiolahy ny basy sy ny vola

Nidiran’ny jiolahy antsokosoko tao amin’ny efitrano natoriany, teratany vahiny voaroba vola, niampy fitaovam-piadiana tao Mahambo, Fenoarivo Atsinanana, ny faran’ny herinandro teo. Teratany vahiny sy ny vady aman-janany niara-lasibatry ny asan-jiolahy tao amin’ny trano fandraisam-bahiny iray ao Doany, kaominina Ma­hambo, distrika Fenoarivo Atsinanana, ny alin’ny sabotsy 1 marsa teo. Nivahiny tao […]

Fanolanana ny zana-dabiny: Lehilahy 29 taona voasambotra

Fantatra fa naolan’ny raikeliny nanomboka teo amin’ny faha-7 taonany (2022) ny zazavavikely iray 9 taona tany amin’ny fokontany Ambondrona, Mahajanga. Nanatanteraka ny filan-dratsy taminy ny raikeliny, 29 taona, rehefa tsy ao an-trano ny renin’io zaza io. Tonga nitory teny anivon’ny mpitandro filaminana any an-toerana ny renin’ilay zaza, ka nahavoasambotra io […]

Opération « Coup d’arrêt » : Mpanendaka 23 lahy voasambotry ny polisy

Mpanendaka sy mpanaparitaka zava-mahadomelina eto Antananarivo ny ankamaroany, miisa 23 ireo voasambotry ny polisy avy eo anivon’ny CSP4 Isotry, nandritra ny hetsika “Coup d’arrêt”, afakomaly Miasa andro aman’alina, miara-mientana mamongotra ny mpanao ratsy, indrindra ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra, ny polisim-pirenena, amin’ny alalan’ny hetsika manokana “Coup d’arrêt”. Telo lahy mpanao […]

Baolina kitra SOKAJY vehivavy : Tafita amin’ny dingana famaranana ny Askam Afa

Nifarana ny 1 marsa lasa teo, tany amin’ireo faritra telo: Ihosy sy Antsirabe ary Ma­hajanga, ny dingana faharoan’ny fifaninanam-pirenena, sokajy vehivavy, taranja baolina kitra. Anisan’ireo klioba sambany nandray anjara, nefa tafita amin’ny dingana farany, ny Askam Afa Itasy, izay nifaninana tao Antsirabe. Nilaza ny mpanazatra azy ireo, i Manitriniaina Steve […]

SOMBIM-BAOVAO

Hitsara ny lalao hihaonan’i Guinée sy i Somalia, ilay Malagasy mpitsara, Rakotojaona Ando­fetra Avombitana, raha ny vaovao azo omaly. Tsy lalao ara-pirahalahiana akory ity tsarain’ ity Malagasy mpitsara iraisam-pirenena ity, fa fihaonana izay hiadiana ny tapakilan’ny Mondial 2026, izay hatao any Meksika. Vokatra tsara hatreto no azon’ny ekipan’ny GNVB, miatrika […]