Taratra

Hetsika sendikaly : Navotsotry ny zandary ireo mpampianatra roa

Navotsotry ny zandary, omaly, ireo mpampianatra roa, voasambotra nandritra ny hetsika fitakiana nataon’ny sendikà eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny ala­tsinainy lasa teo. Tonga teny amin’­ny Sampana fikarohana heloka bevava, eny Fiadanana, nanontany ny antony nisamborana ireo mpikambana roa lahy ireo sendikà, omaly. Fotoana nahafahana nanao ny hetsika firaisankina sendikaly, mba […]

Saika hanafika teo Ambanidia: dimy mianadahy voasambotry!

Nosamborin’ny polisy teo Ambanidia, omaly, ny dimy mianadahy, mpanao fanafihana. Nikasa handroba Cash point izy ireo. Ahina ho isan’ny nitifitra ilay mpanakalo vola vahiny teny Analakely ihany koa. Vehivavy iray sy lehilahy efatra niara-voasambotry ny polisin’ny UIR sy ny avy eo anivon’ny CSP2 tetsy Ambanidia, omaly maraina. Naharay loharanom-baovao marim-pototra, […]

Fitakiam-bahoaka tao Foulpointe : Fananana an-tapitrisany maro voaroba, olona 10 voasambotra

Nitrangana savorovoro sy hetsi-ba­hoaka nandritra ny andro maromaro tao Mahavelona- Foulpointe, na­nom­­boka ny alakamisy 30 janoary lasa teo. Efa somary nisava kely izany ny alahady 2 febroary lasa teo. Efa nisy ireo olona voasambotry ny mpitandro filaminana nandritra izany, antony nampiato kely izany. Nitondra sorabaventy, niakatra teny an-tampon-tanàn’i Mahavelona Foul­pointe, […]

SOMBIM-BAOVAO

Hanatanteraka fivoriambe ny eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny taranja Jiu-jitsu Brezi­liana, ny 15 febroary izao. Efa fanao isan-taona izy ity, hanaovana tatitra ny asa vita nandritra ny taona. Eo koa ny hilazana ny fandaharam-potoana rehetra ho amin’ny taom-pikatrohana 2025. Hatao ny 1 hatramin’ny 15 aogositra, any Maha­­janga, ny fifaninanana nasionaly eo […]