Taratra

Fanampiana ny sahirana : Tokantrano 171 haorina eny Andavamamba

Arovana amin’ny tondradrano sady hatsaraina ny fari-piainan’ny mponina eny amin’ny faritra iva. Diovina sy hamafisina ny lakandrano, haorina ny trano fonenana sy fotodrafitrasa maro. Mitohy ny fanatanterahana ny Tetikasa fampiroboroboana ny ta­nàn-dehibe sy ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro eto Antananarivo (Produir). Ma­matsy vola azy ny Banky iraisam-pirenena, tanterahin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana […]

Transit-Douanes: Nivoaka ny andiany “Masova”

Notontosaina, omaly, teny amin’ny Espace Rose By-pass, ny famoahana ny andiany “Masova”, ho an’ny lalam-piofanana Transit-Douanes, eo anivon’ny INSPNMad. Mpianatra 94 miana­dahy no navoaka nandritra izany, nahazo ny mari-pahaizana DTS sy Licence. 56 amin’izy ireo na­havita ny fianarana mahakasika ny Transit ary ny 38 kosa nanaraka ny fiofanana Com­merce international. […]

INDRAY MIJERY

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny vinanasan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa hampiakatra ny lentan’ireo fotodrafitrasan’ny Oniversite. Hatsangana ny toerana fatorian’ireo mpianatra eto Antananarivo, Mahajanga, Antsiranana ary Toliara. Tohizana ny fanamboarana ireo Campus Universitaire izay efa natomboka any taolagnaro, Ambovombe ary Antsohihy. Ankoatra izany, ny trano fatorian’ireo mpianatra ao […]

Fanadinana CEPE: Napetraka ny rafi-pandaminana vaovao

Fantatra tamin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, fa hisy ny rafi-pandaminana vao­vao amin’ny fiatrehana ny fa­nadinana CEPE sy ny fifaninanana hidirana kilasy fahe­nina. Mba ho fiantohana ny fampandehanana izany fanadinam-panjakana voalohany ho an’ny mpianatra izany, nisy ny fanatsarana napetraky ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Voakasik’izany in­drindra ny fe-potoana fikarakarana ny lafiny […]

CSB II Tanambao Sotema: Tsy sakana amin’ny fanohizana ny vaksiny ny fahaverezan’ny karine

Manao vaksiny ny zaza latsaky ny 5 taona manomboka ny alatsinainy ho avy izao hatramin’ny zoma ny mpiasan’ny CSB II Tanambao Sotema (Mahajanga). Efa misy lamina ny fanatanterahana ny asa ka natokana ho an’ny vaksiny BCG, ny talata, ary ho an’ny vaksiny miaro amin’ny kitrotro kosa, ny alakamisy (faha-9 volana […]