Taratra

Alok’Tefson: « Mahaliana ny mpihaino Radio ny tantara mampatahotra »

Tao anatin’ny folo taona, nanomboka niverina ny fitiavan’ny Malagasy ny fihainoana tantara mandeha amin’­ny Radio. Nanao ny ezaka mifandraika amin’izany rahateo ny mpanoratra. Iray amin’ireny i Alok’Tefson izay nitodika manokana tamin’ny tantara mampatahotra. Dinika nifanaovana taminy. Gazety Taratra (*) : Mpanoratra, tanora, anisan’ny nisafidy ny hampivelatra ny tantara fandefa amin’ny Radio […]

SOMBIM-BAOVAO

Ny ekipan’ny Serbie no hidona voalohany amin’ ny Ankoay, lehilahy, mandritra ny fiadiana ny amboa­ran’i Afrika, taranja basikety 3×3, hatao any Thailande, ny 13 hatramin’ny 15 marsa izao. Ny ekipan’i Chine kosa no miandry ny ekipa malagasy, sokajy vehivavy. Ekipa samy mafy ireo ekipa roa ireo saingy efa manoman-tena mafy […]

Volley-CCC Zone 7 : Miankina amin’ny toetr’andro ny lalao

Araka ny fandaharam-po­toana efa fantatra, ny 1 hatramin’ny 8 marsa izao no hanatanterahina ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka aty amin’ny faritra faha-7 (CCC Zone 7), taranja Volley ball, any Maorisy. Noho ny fisian’ny andro ratsy any an-toerana anefa, misy fiantraikany amin’ny sidina mihazo an’i Maorisy izany. Araka izany, raha […]

Rugby-«Challenger series»: Tsy misy Malagasy hitsara ny lalao

Hanomboka rahampitso ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny “Challenger series”, taranja rugby lalaovina olona 7, sokajy lehilahy. Hampiantrano izany, i Afrika Atsimo, amin’ity. Araka ny fanadihadiana natao, tsy mbola misy mpitsara ma­nana “niveau”, amin’izany eto Madagasikara. Fihaonana karakarain’ny World rugby mantsy ity fifaninanana ity ka ireo ao amin’ny “panel B” […]

Baolina kitra- « Mondial 2026 » : Hatao any Maroc ny lalaon’ny Barea

Tsy mbola mandray lalao iraisam-pirenena ny Kianja Barea Mahamasina, amin’ity volana marsa ity. Miandry ny fanambarana ofisialy avy amin’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra anefa izany. Tapitra hatreho ny tebi­teby mahakasika ny kianja Barea Mahama­sina. Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malaga­sin’ny baolina kitra, FMF, omaly, hatao any Maroc avokoa ny lalaon’ny […]