Taratra

CSB II Tanambao Sotema: Tsy sakana amin’ny fanohizana ny vaksiny ny fahaverezan’ny karine

Manao vaksiny ny zaza latsaky ny 5 taona manomboka ny alatsinainy ho avy izao hatramin’ny zoma ny mpiasan’ny CSB II Tanambao Sotema (Mahajanga). Efa misy lamina ny fanatanterahana ny asa ka natokana ho an’ny vaksiny BCG, ny talata, ary ho an’ny vaksiny miaro amin’ny kitrotro kosa, ny alakamisy (faha-9 volana […]

TARATRY ny KANTO

Festival « Amoron’i Maniart”. Taorian’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, hanomboka anio ny tena fandaharam-potoana amin’ity hetsika ho an’ny dihy, hatao any Ambositra ity. Hanomboka amin’ny 9 ora maraina ny fiofanana mahakasika ny Hip hop, Breaking, Afro dance, Dance hall ary ny Slam, ao amin’ny Alliance Française. Mamina, etsy amin’ny Phoenix […]

Zavakanto: Ilaina ny fifaninanana

Anisan’ny tsy ampy eto Madagasikara ny fifaninanana. Zara raha ahitana izany indray mandeha ao anatin’ny taona ny taranjan-javakanto iray. Ny hafa, tsy misy mihitsy. Ny any ivelan’ny Nosy, anefa, saika isan’andro, mifaninana hatrany. Tsy voatery ho zava-dehibe vao mifaninana, raha eo amin’ny tontolon’ny zavakanto. Amin’ny ankapobeny, hoentina mandrefy ny dingana […]

Les Surfs: Nodimandry i Dave Rabaraona

Iray tamin’ireo Rabaraona 6 mianadahy, nandrafitra ny tarika Les Surfs i Dave. Nodimandry any Canada izy, nanara-dia ireo anabaviny, izay niara-nitondra avo ny lazan’i Madagasikara taminy naneran-tany. Rako-drahomainty indray ny tontolon’ny zavakanto. Nodimandry omaly maraina mantsy Andriama­monjy David Yves Marcel, na i Dave Rabaraona. Tany Mont­réal Canada izy no nodimandry, […]