Zazalahikely mpianatra iray natelin’ny ranomasina tany Sambava, omaly. Nandeha nanao EPS tao amin’ny stade izy sy ireo mpiara-mianatra aminy, raha ny angom-baovao voaray. Nafana ny andro tamin’io ary nandeha nandro tany an-dranomasina izy. Tsy hita izy avy eo fa nalentiky ny ranomasina, tsy hita. Tonga nanao fikarohana azy io ny […]
Taratra
Rotsakorana 14-19 febroary: Tafakatra 29 ireo namoy ny ainy
Tafakatra 29 ireo olona namoy ny ainy, vokatry ny rotsakoram-be teto amin’ny Nosy, nanomboka ny 14 hatramin’ny 19 feborary lasa teo, raha ny tatitra navoakan’ny BNGRC, omaly hariva. Iray maty nilatsaham-baratra tany Behenjy, iray tany Belo Tsiribihina, telo ny teny Ambohidratrimo, iray tany Anjozorobe. Iray Farafangana, iray teto Antananarivo II, […]
Lehilahy mamo: Maty kilan’ny afo tao an-tranony
Nitrangana firehetana trano iray tany Mahavanona Antsiranana II, afakomaly tamin’ny 3 ora maraina. Tovolahy 28 taona, mamo ary tsy tafahetsika tao an-tranony no may kilan’ny afo nandritra izany. Fatin’olona efa may kilan’ny afo tanteraka sy niondrika teo amin’ny sisim-pandriana no hitan’ny fokonolona sy ny tomponandraikitra. Afon-tsigara no mety ho antony […]
Ambodiafontsy Ampitatafika : Tokantrano iray voatafika, mitotaly 16 tapitrisa Ariary ny entana very
Nitrangana fanafihana tokantrano iray tetsy Ambodiafontsy Ampiatatafika, afakomaly tamin’ny 8 ora sasany alina. Jiolahy roa lahy tsy nisaron-tava no niditra an-keriny tao an-trano, ka nandroba ny entana sy namono ny tovolahy iray 18 taona. Nitondra bar à mine ireo olon-dratsy, niditra nanainga moramora ny varavarana niditra ny trano. Fotoana tsy […]
EPM : Hamaritra ny politikam-pampandrosoana
Manan-danja eo amin’ny sehatry ny toekarena sy ny fampandrosoana ny vokatra andrasana amin’ny fanadihadiana maharitra eny anivon’ny tokantrano (EPM) hatao. Ahafahana mamaritra ireo politikam-panjakana sy ireo fotodrafitrasa hatsangana enti-mamaly ny filan’ny mponina ireo antotanisa hangonina. Niainga tamina kajy statistika ny nahazoana ireo tokantrano 17 000 manerana ny Nosy hanaovana ny fanadihadiana. […]




