Fantatra tamin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, fa hisy ny rafi-pandaminana vaovao amin’ny fiatrehana ny fanadinana CEPE sy ny fifaninanana hidirana kilasy fahenina. Mba ho fiantohana ny fampandehanana izany fanadinam-panjakana voalohany ho an’ny mpianatra izany, nisy ny fanatsarana napetraky ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Voakasik’izany indrindra ny fe-potoana fikarakarana ny lafiny […]
Taratra
CSB II Tanambao Sotema: Tsy sakana amin’ny fanohizana ny vaksiny ny fahaverezan’ny karine
Manao vaksiny ny zaza latsaky ny 5 taona manomboka ny alatsinainy ho avy izao hatramin’ny zoma ny mpiasan’ny CSB II Tanambao Sotema (Mahajanga). Efa misy lamina ny fanatanterahana ny asa ka natokana ho an’ny vaksiny BCG, ny talata, ary ho an’ny vaksiny miaro amin’ny kitrotro kosa, ny alakamisy (faha-9 volana […]
Be velarana i Honde : Ho betsaka ny orana entiny
Omaly maraina, tany amin’ny 330 km atsimo andrefan’i Toliara no nisy ny foiben’i Honde. Niakatra ho 110 km isan’ora ny rivotra miaraka aminy sy tafiotra 155 km isan’ora. Manambana ny tapany atsimon’ny Nosy, nanomboka halina. Efa mikasika ny faritra Atsimo Andrefana ny rahona miaraka aminy, nanomboka omaly maraina. Raha ny […]
TARATRY ny KANTO
Festival « Amoron’i Maniart”. Taorian’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, hanomboka anio ny tena fandaharam-potoana amin’ity hetsika ho an’ny dihy, hatao any Ambositra ity. Hanomboka amin’ny 9 ora maraina ny fiofanana mahakasika ny Hip hop, Breaking, Afro dance, Dance hall ary ny Slam, ao amin’ny Alliance Française. Mamina, etsy amin’ny Phoenix […]
Zavakanto: Ilaina ny fifaninanana
Anisan’ny tsy ampy eto Madagasikara ny fifaninanana. Zara raha ahitana izany indray mandeha ao anatin’ny taona ny taranjan-javakanto iray. Ny hafa, tsy misy mihitsy. Ny any ivelan’ny Nosy, anefa, saika isan’andro, mifaninana hatrany. Tsy voatery ho zava-dehibe vao mifaninana, raha eo amin’ny tontolon’ny zavakanto. Amin’ny ankapobeny, hoentina mandrefy ny dingana […]




