Taratra

VAOVAO TAMBATRA

Mitotongana, lasa 4 920,55 Ar ny euro iray, omaly. Tsy mitsaha-miakatra izany tao anatin’ny tapa-bolana. Marin-toerana kosa ny dolara izay nisanda 4 701,80 Ar. Tsy mifandanja ny fanondranana sy ny fanafarana entana ataon’i Madagasikara. Betsaka ny entana fototra hafarantsika sy ny solika izay hamoahana vola vahiny. Mamolavola ireo paikady hamerenana ny famokarana […]

Angovo : Voizina ny Famatsiam- bola maitso

Miara-miombon’antoka ny Sipem Banque sy ny orinasa Pharmadiff Solair. Azo atao ny mandoa tsikelikely ny entana ao amin’ny Pharmadiff Solair amin’ny alalan’ny findramam-bola ao amin’ny Sipem Banque. Voakasik’izany ny fitaovam-pitsaboana samihafa amidin’ny Pharmadiff, miainga any amin’ny madinika indrindra hatramin’ny vaventy (« concentrateur d’oxygène, tensiomètre, réspirateur, … »). Toraka izany koa ny karazana […]

Fanampiana ny sahirana : Tokantrano 171 haorina eny Andavamamba

Arovana amin’ny tondradrano sady hatsaraina ny fari-piainan’ny mponina eny amin’ny faritra iva. Diovina sy hamafisina ny lakandrano, haorina ny trano fonenana sy fotodrafitrasa maro. Mitohy ny fanatanterahana ny Tetikasa fampiroboroboana ny ta­nàn-dehibe sy ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro eto Antananarivo (Produir). Ma­matsy vola azy ny Banky iraisam-pirenena, tanterahin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana […]

Transit-Douanes: Nivoaka ny andiany “Masova”

Notontosaina, omaly, teny amin’ny Espace Rose By-pass, ny famoahana ny andiany “Masova”, ho an’ny lalam-piofanana Transit-Douanes, eo anivon’ny INSPNMad. Mpianatra 94 miana­dahy no navoaka nandritra izany, nahazo ny mari-pahaizana DTS sy Licence. 56 amin’izy ireo na­havita ny fianarana mahakasika ny Transit ary ny 38 kosa nanaraka ny fiofanana Com­merce international. […]

INDRAY MIJERY

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny vinanasan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa hampiakatra ny lentan’ireo fotodrafitrasan’ny Oniversite. Hatsangana ny toerana fatorian’ireo mpianatra eto Antananarivo, Mahajanga, Antsiranana ary Toliara. Tohizana ny fanamboarana ireo Campus Universitaire izay efa natomboka any taolagnaro, Ambovombe ary Antsohihy. Ankoatra izany, ny trano fatorian’ireo mpianatra ao […]