Voahosotra ho tompondakan’ny Tama Beach, taranja volley, andiany faha-8, tany Toamasina, ny faran’ny herinandro teo, i Juliette sy i Miangola, ho an’ny sokajy U21, vehivavy. I Brad sy i Allan kosa teo amin’ny U21, lehilahy. Ho an’ny sokajy Seniors, nahazo fandresena i Marina sy i Julienne teo amin’ny vehivavy, ary […]
Taratra
Semi-marathon : Nanamontsana zava-bita i Kiplimo
Nomontsanin’ilay teratany ogandey, i Jacob Kiplimo, ny zava-bita tsara indrindra maneran-tany eo amin’ny hazakazaka semi-marathon. Nandritra ny fifaninanana natao tao Barcelone Espagne, ny alahady 16 febroary lasa teo. Tontosany tao anatin’ny 56 mn 42 s izany. Natsarain’ity atleta, 24 taona, ity 48 s ny fe-potoan’ilay etiopianina, i Yomif Kejelcha, izay […]
“XXL Smatchin by Be connect” : Nitombo ny isan’ny mpandray anjara
Hotanterahina ny 8 hatramin’ny 16 marsa izao ny “XXL Smatchin by Be Connect”, andiany faha-11. Oniverite 50 hifaninana ary toerana 3 no handray izany. Nitombo ny isan’ny mpandray anjara amin’ity andiany faha-11 ity, araka ny fanazavana nentin’ny mpikarakara. Oniversite 50 no hifaninana, raha toa ka 40 tamin’ny taon-dasa. Araka izany, […]
Razakarisoa Patrick: « Mbola betsaka ny ezaka mila atao amin’ny taranja ping pong »
Fanadihadiana manokana mahakasika ny taranja ping pong natao tamin’ny tale teknika nasionalin’ny tenisy ambony latabatra, Razakarisoa Patrick. Maro ny asa mbola miandry, raha ny filazany. “Mbola betsaka ny ezaka mila atao satria mivoatra be ny tontolon’ny fanatanjahantena amin’izao fotoana izao”, hoy Razakarisoa Patrick, DTN ny taranja ping pong, anivon’ny Federasiona malagasin’ny FMTT, omaly. […]
Fampiofanana araka asa : Mianatra ny modely 3FPT i Madagasikara
Noraisin’ny tale jeneralin’ny Fonds de financement de la formation professionnelle, Dr Babo Amadou BA, sy ny ekipany, ao amin’ny foibe any Sénégal ny delegasiona malagasy. Nitarika izany, tany an-toerana, ny sekretera jeneralin’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana araka asa, Harisoamanarivo Angelico Ennodius, izay nisolo tena ny minisitra, niaraka tamin’ireo tomponandraikitra […]




