Taratra

Ady amin’ny fanondranana olona ; Nofanina ny fikambanana Facha

Nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa ny birao nasionaly miady amin’ny famarinana olona sy ny fikambanan’ny vehivavy Antesaka ho an’ny fanovana (Facha). Manamarika ny dingana ara-dalàna amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ny sonia. Tanjona ny hanamafisana ny ezaka amin’ny ady amin’ny famarinana olombelona. Ha­mafisina ny fepetra ho fisorohana izany. Handray anjara ny […]

“Sarobidy ny aiko” andiany faha-32 : Homena tolotra fahasalamana maimaimpoana ny vehivavy

“Fitovian-jo sy fizakantena ho an’ny vehivavy sy ny tovovavy rehetra” ny lohahevitra hanamarihina ny Andro maneran-tany momba ny zon’ny vehivavy, amin’ity taona ity. Nosokafana tamin’ny fanomezana tolotra fahasalamana teny Ambohidratrimo, omaly, izany. Nisantarana ny fanamarihana ny Andro maneran-tany momba ny zon’ny vehivavy ny fanomezana tolotra fahasalamana maimaimpoana miaraka amin’ny fiarabe […]

Mpitondra tenin’ny governemanta : “Nisy masontsivana ny nahazoan’ ny filoha amboara”

Nitondra fanazavana amin’ ny nahazoan’ny filoha Rajoelina Andry ny amboara nahavoafidy azy ho mpitarika politika Afrikana mendrika 2024, ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Volamiranty Mara Donna, omaly. “Nandalo masontsivana ny fisafidianana eo anivon’ny African Leader­ship Magazine, ankoatra ny safidy avy amin’ny daholobe”, hoy izy. Nanteriny fa manana vina […]

CUA sy ny Banky iraisam-pirenena : Nanaovana tombana ny tetikasa Produir

Noraisin’ny ben’ny Ta­nànan’Antananarivo, Rama­nan­tsoa Harilala, tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Anala­kely, omaly, ny iraka manokana avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, Catalina Maru­landa. Anisan’ny iandraiketany ny sampandraharaha mo­mba ny fampandrosoana an-tanàn-dehibe, ny fananan-tany ho an’ny faritra Afrika Atsi­nanana sy atsimon’i Afrika. Nifantohan’ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny andaniny sy ankilany ny momba ny fandaharanasa Produir, […]

Andrianainarivelo Hajo: “Tokony hahay haka lesona ny mpanohitra”

Nivahiny tao amin’ny fahitalavitra TeleSud, any Paris, afakomaly, ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo. Nitondrany ny fomba fijeriny ny fiainam-pirenena ankapobeny ka anisan’izany ny lafiny politika. Anisan’ny nitondrany ny heviny ny momba ny fanoherana. Hita ireny ny vokatra ka tokony hanavao ny firafitra sy ny vina ary ny […]