Hiroso amin’ny fitokonana faobe ny mpiasan’ny Jirama. Araka ny loharanom-baovao, takin’izy ireo ny handraisan’ny fanjakana fepetra amin’ny tale jeneraly sy ny tale miisa telo akaiky azy. Antony, leo ny mpiasa satria mangataka fanemorana foana ireo mpitantana rehefa hangatahana fihaonana. Raisin’izy ireo ho tsy fahaiza-mitantana izany, toy ny tsy fisian’ny rafi-pitantanana […]
Taratra
Fiovaovan’ny toetr’andro : Nizarana traikefa ireo eny ifotony
Nambaran’ny talen’ny fampandrosoana maharitra ny tanàna, eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Ramaroson Miary, fa mitohy ny fifampizarana traikefa. Efa nisy ny fiofanana teo aloha momba ny fiatrehan’ny tanàna sy ny kaominina ary ireo minisitera samihafa ny fiovaovan’ny toetr’andro, araka ny nambarany. “Miditra amin’ny fampiofanana sy […]
Fitsidihana tampoka nataon’ny minisitra : Nakatona ny fonjan’i “Maputo” eny Antanimora
Nisy ny fitsidihana tampoka nataon’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Alexis Bejamin Alexis, teny amin’ny fonjan’Antanimora, omaly maraina. Fepetra maromaro no noraisina tamin’izao fidinana ifotony izao. Anton’ny fitsidihana tampoka ny fijerena ny fomba fiasa sy ny lesoka amin’ny fitantanana ity fonja ity. Hijerena koa ny ahafahana manampy ireo mpandraharahan’ny fonja amin’ny […]
INDRAY MIJERY
Nanolotra fitaovana fanentanana ho an’ny fandaharanasa O3 ny Unesco amin’ny sehatry ny fanabeazana ara-pananahana feno ho an’ny Lycée téchnique et commercial Ampefiloha, tamin’ity herinandro ity. Tanjona ny hanome fahafahana ny tanora hahazo fanabeazana ara-pananahana feno sy manara-penitra hahazoana antoka fa ho voaofana izy ireo amin’ny fomba mirindra, miaraka amin’ny fahaiza-manao […]
Toetr’andro : Miha mandindona ny andro ratsy
Mamaritra ny toetry ny andro ny fiforonan’ilay rivodoza ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika. Miha mitombo hery hatrany izy any an-dranomasina. Omaly maraina, tany amin’ny 645 andrefana somary avaratr’i Toliara no nisy ny foibeny. Mizotra mianatsimo somary atsimo atsinanana ny diany. Hanambana an’i Madagasikara izy any amin’ny faran’ny herinandro. Vinavinaina hivadika ho […]




