Taratra

Nanindrona compat: Mpianatra 17 niakatra fitsarana

Niakatra fitsarana teo anivon’ny ambaratonga voalohany any Toamasina, ny alatsinainy 24 febroary teo, ny anton­­tan-taratasin’ady lah. faha-198/RP/25 IS/SJ/ARS. Izay naha voarohirohy mpianatra tsy ampy taona miisa 17 avy amin’ny sekoly tsy miankina iray tetsy Tanamakoa. Mpiray tsikombakomba tamin’ny herisetra avokoa izy rehetra ireo. Voasazin’ny lalàna famaizana, laharana faha-311 izy rehetra […]

Nanadio tsikafona teny Anosizato : Lehilahy matin’ny herinaratra tao anaty rano

Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray, omaly, teny Anosizato. Main’ny herinaratra tao anaty rano izy nandritra ny fanadiovana tsikafona teo akaikin’ny tranony. Maty, main’ny herinaratra ny lehilahy iray, 32 taona, omaly, tetsy Anjanakolahy, fokontany Ano­sizato Atsinanana I. Tokony ho tamin’ny 1 ora no niseho­an’ny voina, raha nanadio tsikafona, fitoerana vovo […]

Antenimieran’ny varotra sy indostria Atsinanana : Tsy hialan-dromoromo sy fitakian’ny mpiasa

Anisan’ny sampandraharaham-panjakana fa saingy ny tsy miankina no mandrefy sy mandidy amin’ny An­tenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Madagasikara. Raha tsorina dia misy rafitra roa eo anivon’ity sampandraharaha ity ka ny rafitra voalohany dia ireo solontenan’ny vondrona mpandraharaha, tarihin’ny filohany, manana lefitra. Miampy ireo mpanolotsaina miisa 30 mandrafitra an’ izany, […]

Jean Nirina R. : «Tokony haverina ny rafitra fokonolona»

Maro ny olana saro-bahana eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. «Tokony haverina sy homen-danja ny rafitra fokonolona eny anivon’ny fokontany», hoy ny sefo fokontanin’ Anosizato Atsinanana, Rafanomezantsoa Jean Nirina, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, manoloana ny olana sendrain’ny fiarahamonina amin’izao fotoana izao. Misy fokonolona manao tsinontsinona ny fiarahamonina. […]