Manomboka ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-18, mampifandray an’i Vangaindrano sy Befotaka, faritra Atsimo Atsinanana. Mirefy 136 km ity lalana ity, ka anisan’ny asa hatao ny fanotofana sy fandravonana ny lalana, ny fandrarahana vatokely sy fametrahana « béton ». Eo koa ny fanamboarana ny sisin-dalana sy ny lakandrano. Nampahafantarina, omaly, ireo fepetra […]
Taratra
Fampandrosoana: Mahantra ny 70 % maherin’ny Malagasy
“Tsy misitraka ireo tolotra fototra toy ny fanabeazana, fahasalamana na trano mendrika ny 70% maherin’ny Malagasy”, hoy ny Banky iraisam-pirenena tao amin’ny « Note de conjoncture économique de Madagascar”, navoakany ny talata teo. Sokajiany ho mahantra ny 70 % ny mponina eto Madagasikara, noho izy ireo mivelona latsaky ny 2,15 dolara […]
Misy antony fototra
Koreanina 88 taona sy ny zanany 58 taona no maty notafihin’ny dahalo. Ny ben’ny Tanànan’i Mangataboahangy, distrikan’Ambatofinandrahana, Amoron’i Mania, namoy ny ainy noho ny tifitra nahazo azy… tamin’ny herinandro ireo. Vono olona efa nomanina mialoha? Na ahoana na ahoana, saika mifaningotra amin’ny toy izany ny fitiavan-tena tsy te ho […]
Seranan’Ivato: Havaozina ny fikarakarana ny zotra anatiny
Mitohy ny fanavaozana ny fotodrafitrasa eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Ho vita amin’ny oktobra 2025 ny asa fanatsarana ny fikarakarana ny zotra anatiny sy ny fanitarana ny arabe fiantsonana. Vita ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eny Ivato. Niaraka nitondra fanazavana ny tale jeneraly (DG) ny Ravinala Airports, Daniel Lefebvre, sy ny mpiara-miasa aminy. […]
TSELATRA
Tafakatra enina ireo olona voasambotra tamin’ny raharaha famonoana ny ben’ny Tanànan’i Mangatamboahangy, ny zoma 21 febroary teo. Efa tazomina sy hanaovana fanadihadiana ary hatao andrimaso eny anivon’ny zandarimariam-pirenena any Ambatofinandrahana izy ireo. Efa nogiazana ihany koa ny basim-borona iray nampiaisan’ireo olon-dratsy. Tsy maintsy hatolotra ny fitsarana avokoa ireo rehetra voarohirohy […]




