Taratra

Rajoelina Andry : «Olona miasa ho an’ny vahoaka fidiana! »

Mazava ny tondrozotra nomen’ny filoha Rajoelina Andry, halina. ”Olona miasa ho an’ny vahoaka, kandidà manana vina fidiana”, hoy izy mahakasika ny fifidianana hatao rahampitso. Nivahiny tao amin’ny hai­no aman-jerim-panjakana, RNM sy TVM, ny filoha Rajoelina Andry, omaly alina. Noresahiny nandritra ny dinika ny mahakasika ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina, […]

TSELATRA

Vehivavy iray naratra nianjera avy eny ambony kamiaobe iray, nandritra ny fampielezan-kevitra an’ny kandidà iray teny Andoharanofotsy, omaly. Nihinjakinjaka teo ambonin’ilay fiarabe izy kanjo tratran’ny fihonjonana tampoka ny fiara teny am-pandehanana. Nianjera avy eny ambony fiara izy. Folaka ny tongony ka nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana. Nitohy kosa ny fampielezan-kevitra na teo […]

Belo sur Tsiribihina : novakin’ny jiolahy ny fasan’ny Ampanjaka

Nitrangana vaky fasana tao amin’ny fasam-pianakavian’ ny Ampanjaka Kamamy, ao amin’ny fokontany Mahavelo­narivo, kaominina ambanivohitr’i Bemarivo Ankorondro, distrikan’i Belo sur Tsiribihina, ny sabotsy teo. Nandritra ny fandevenana raim-pianakaviana iray tao amin’io fasam-bahiny io no nisy olona nahatsikaritra fa vaky ny fasan’ny Ampanjaka. Nidina teny an-toerana ny solontenan’ny fianakaviana, niaraka tamin’ny […]

Nanolana ny zanak’anabaviny : notanana am-ponja ilay nahavanon-doza

Voasaringotra tamin’ny raharaha fanolanana misesy, niakatra fampanoavana ny raharaha ka notanana vonji­maika any am-ponja ilay lehilahy. Niakatra fampanoavana omaly, nohazonina am-ponja miandry ny fotoam-pitsarana azy, ny lehilahy voatondro ho nanolana ny zanak’ anabaviny, tao amin’ny kao­minina Mantasoa, distrikan’i Manjakandriana. Zazavavy 11 taona naolan’ny anadahin-dreniny imbalo nisesy. Nanam­paran’io lehilahy io ny […]