Namaly ny antso fanentanana avy hatrany. Noraisin’ny minisitra misahana ny Fanavaozana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, tetsy amin’ny birao fiasany etsy Antaninarenina, omaly, ny ambasadaoron’i Japon, Tojima Hitoshi. Nambaran’ity masoivoho ity, tamin’izany, fa tafita tsara ny antso sy ny fanentanana nandritra ny fihaonana niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena, afakomaly, teny amin’ny minisiteran’ny […]
Taratra
Aleo misoroka!
Manomboka mangatsiaka! Efa volon’andro ririnina mihitsy ny eto amin’ny tanàna. Mahazo vahana ny hirifiry vao maraina. Efa hita ihany koa ilay andro tsy mena-mivadika. Tampoka mafana, mampanary lamba. Mazava ho azy fa manaraka izay ny fahasalamam-bahoaka. Mahazo vahana ny kohaka sy ny gripa ary ny fanaviana amin’ny endriny rehetra. Tsy […]
Tohin’ny fihaonan’ny Gen Z sy ny praiminisitra : Navoaka sy atao andrimaso i Herizo Gen Z
Noraisin’ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana, teny Mahazoarivo ireo solontenan’ny Gen Z, manerana ny Nosy. Samy nomena anjara fitenenana izy rehetra. Nivaly, omaly hariva avy hatrany. Mbola nitaky ny hamoahana ny namany, voasambotra sy tazonina any amin’ny mpitadro filaminana ireo Gen Z, tamin’ny fihaonana teny Mahazoarivo. Namaly izany ny lehiben’ny governemanta ary […]
TSELATRA
Nahitana fatim-behivavy iray tokony ho 25 taona tetsy amin’ny ranon’i Sisaony, Anosikely Andohatanjona Itaosy, omaly maraina. Nampakatra ny razana avy tao anaty rano ny mponina. Tonga nizaha ny razana sy nijery ny zava-nitranga ny mpitsabo sy ny polisim-pirenena. Tsy niakanjo intsony ny tapany ambany. Tombanana ho efa herinandro ny nahafaty […]
Indroa nanolana ny zanak’anabaviny: Lehilahy naiditra vonjimaika any am-ponja
Tratra teo am-panaovana ny filan-dratsiny, nentin’ny fianakaviany teny anivon’ny biraon’ny mpitandro filaminana ny lehilahy iray 33 taona nanolan-jaza tetsy Ankadindratombo, kaominina Alasora, afakomaly. Ankizivavy 8 taona, zanaky ny anabavin’io lehilahy io ihany no naolany, araka ny fanazavana voaray avy amin’ny mpitandro filaminana misahana ny fanadihadiana. «Nidiran’io lehilahy io tao an-trano […]




