Voatendry ho masoivoho atsy Maorisy, Ramiarinjanahary Olga, araka ny fanendrena teo anivon’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly teny Iavoloha. Misolo toerana ny Jly Camille Vital, ambasadaoro teo aloha. Maromaro koa ireo sefo distrika vao notendrena. Anisan’izany ny any Antalaha, Belo ambonin’ny Tsiribirihina, Bekily, Vohipeno ary Taolagnaro. Mitaky ny fikaonandoha ho an’ny zokiolona […]
Taratra
Komity Miaro ny Tolona ( KMT) : Nihaona tamin’ny filohan’ny Fanavaozana
Manara-maso sy miaro ny fitakiana natao tamin’ny hetsika sy fitakiana nataon’ny Gen Z, ny Komity Miaro ny Tolona (KMT). Antony nifanakalozan’izy ireo hevitra tamin’ny mpitondra fanjakana momba ny dinika politika izany. Nisy ny fifampiresahana nataon’ny biraon’ity Komity ity, ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Randrianirina Michaël, teny amin’ny Lapam-panjakana […]
Malagasy iray tsy mivaky
Mahatsiravina ankitsirano ny mijery sy mamaky ireo ranty hataon’olona maro avy any amin’ny faritra sasany mivoy fankahalana foko iray eto amin’ny tanàna. Tsy hay mazava ny tanjon’izy ireny. Ny zavatra hita, tafiditra any anatin’ny ekipa ny mpanakanto malaza sasany. Tsy mandefa fisainana lavitra kanefa dia miorom-ponenana miaraka amin’ny olona […]
Tolo-kevitry ny minisiteran’ny Fitsarana: Havadika ho asa ho an’ny vahoaka ny sazy famonjana
Nivoitra tamin’izany araka ny nanambaran’ireo iraky ny minisiteran’ny Fitsarana tany an-toerana fa havadika ho asa fanasoavam-bahoaka ny sazy famonjana, manomboka izao. « Efa vonona any ny volavolan-dalàna momba izany ary hatolotra ny fahefana mpanao lalàna, eny anivon’ny Antenimierampirenena », hoy izy ireo. Ankoatra izany, nambaran’ireto delegasionina ireto fa ahazoana rosia na tapakila […]
TSELATRA
Fiara iray notorohan’ny olon-dratsy tamin’ny antsibe, omaly maraina tamin’ny 3 ora tany ho any, teny amin’ny lalam-pirenena fahadimy. Nifanandrify tamin’ny fitaratry ny saofera namily ny fiara ny antsy, soa ihany fa tsy nahavoa ny mpamily. Niseho teo anelanelan’i Mantalimaro sy Anjavimilay ny loza. Voalaza fa efa maro ireo mpampiasa lalana […]





