Tato ho ato, nafanafana ratsy ny tsy fandriampahalemana. Amin’izany, tanjon’ny fitondram-panjakana ny hisian’ny filaminana maharitra. Laharam-pahamehana ny famongorana ny asan-jiolahy manohintohina ny fiainam-bahoaka. “Tanjona ny hisian’ny filaminana maharitra ho an’ny firenena manontolo”, hoy ny hafatry ny Praiminisitra Ntsay Christian, tamin’ny fivoriana niarahany tamin’ireo jeneraly vaovao 35 nahazo laharam-boninahitra taona 2024, […]
Taratra
Mitaintaina!
Anisan’ny vaovao goavana hivoaka ato ho ato ny mahakasika ny fankatoavana na tsia ny kianja Barea, Mahamasina. Samy miandry anaty fitaintainana avokoa ny olom-pirenena rehetra sy ny mpankafy baolina kitra. Tsy mbola misy ny vaovao amin’ny fomba ofisialy nivoaka avy any amin’ny Kaonfederasiona afrikanina momba ny baolina kitra. Ny resabe […]
Minisitra Andriantsitohaina Naina: “Hamoraina ny fampiasam-bola amin’ny famokarana”
Nandray ny fikambanan’ny Indostria “Association de l’industrie malgache – AIM” ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, omaly, tetsy Anosy. Voaresaka ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny minisitera. Anisan’ny fanambin’ny MFFT ny fampiroboroboana ny sehatry ny fambolena mitodika amin’ny indostria. Voaresaky ny roa tonta ny momba ny […]
TSELATRA
Vehivavy 27 taona, hita faty tao an-trano fonenany, omaly, tany Toamasina. Monina ao Anjoma Atsinanana, Toamasina izy. Zanaka mpitsabo ary miasa amin’ ny hotely lehibe iray any an-toerana. Fofona maimbo no nanaitra ny mpiara-monina. Nahitana ra niparitaka tao an-tranony, rehefa novakiana ny varavarana. Tsy fantatra mazava ny antony nahafaty azy. […]
Ranon’Ikopa: Lehilahy iray maty an-drano tetsy Anosizato
Lehilahy iray, 50 taona, hita faty tao anaty ranon’Ikopa, tetsy Anosizato Andrefana, omaly tamin’ny 11 ora atoandro. Nikasa hisasa tamin’io rano io izy no nilentika tampoka, raha ny fanazavan’ireo olona nanatri-maso. Nanala ny akanjo teny an-kodiny izy ary nisasa teo amoron’ny rano, ambony vato. Mbola be olona teny an-toerana tamin’io […]




