Taratra

Fiompiana antsokosoko: Varika miisa 3 tratra tao amin’ny toeram-pialamboly eny Itaosy

Misy tsy mety fay mandika lalàna mihitsy ny sasany amin’ny fitazonana any an-trano biby tsy fiompy. Tsy mandefitra na kely aza ny fanjakana. Tratra tao amin’ny toerana fialamboly iray eny Itaosy, ny sabotsy 7 de­sambra teo, ny varika miisa telo, notazonina antsokosoko. Angom-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no namantarana […]

INDRAY MIJERY

Notanterahina ny sabotsy teo ny fandraisan-tanana ny filohan’ny Synodam-paritanin’Antananarivo Andrefana (SPAA10) eo anivon’ny FJKM, Razafindrakoto Andriam­ba­lohery Hasinarivo. Nifanotronan’ireo fiangonana manodidina ny 300 aty amin’ny SPAA 10 izany. Nametraka ny vinany 12 izy, mifantoka amin’ny fampiroboroboana ny finoana kristianina. Lavapiringa moderina miisa 290 no hapetraka eto Antananarivo. Fiaraha-miasa amin’ny orinasa Loowat […]

Fivama : Nitombo ny fahatokisan-tenan’ireo vita fiofanana

Nifarana ny herinandro teo ny fampiofanana nomen’ny fikambanana Viavin’i Mandri­tsara (Fivama) ireo andriambavilanitra mpikambana ao aminy. Naharitra 5 herinandro ny fampiofanana mahakasika ny fandraisam-pitenenana imasom-bahoaka, ho sahy mijoro sy maneho hevitra. Nilaza ny filohan’ny fikambanana, Razafindrafotsy Joela Martine, fa nahafahan’ireo vehivavy manana fahatokisan-tena amin’ny fahaizana maneho hevitra ny fiofanana norantoviny. […]

Tetikasa hub : mitondra fampandrosoana any Atsimo Antsinanana

Nandritra ny fitsidihan’ireo tomponandraikitra ny asan’ny USAID tany Atsimo Atsinanana, izay notarihin’ny masoivoho amerikanina, Claire Pierangelo, no nijerena ny tetikasa ma­matsy herinaratra. Zava-dehibe ny fahazoana herinaratra ha­na­tsarana ny fandrosoana ara-toekarena amina tanàna sy faritra iray. Tetikasa Hub na foibe ahafahan’ny olona misitraka herinaratra tohanan’ny Power Africa, amin’ny alalan’ny fandaharanasa Empowering Southern Africa, izy ity. […]

Fiatrehana ny fetin’ny krismasy : hitohy any amin’ny faritra ny Tsinjo Noely

Mahavelombolo ireo tokantrano nisitraka ny tetikasa “Mifampitsimbina” ireo tohana ara-tsosialy voarainy. Fantatra izao fa hahazo ny anjarany ihany koa, amin’ny alalan’ny tsinjo Noely, ny any amin’ny renivohi-paritany. Nitohy teny amin’ny Kianja mitafon’Anko­ron­drano ny fizarana ny tohana ara-tsosialy ao anatin’ny tetikasa “Mifampitsim­bina” izay ataon’ny fanjakana ary tanterahin’ny minisiteran’ny Mponina. Tokantrano 4 150, […]