Hanomboka anio alarobia, any Abidjan Côte d’Ivoire, ny andiany faha-25 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Afrobasket”, sokajy U18 lahy sy vavy. Ho an’i Madagasikara, handray anjara amin’ny lehilahy ny Ankoay. Hisantatatra ny fihaonana amin’ity andro voalohany ity izy ireo ka hifanandrina amin’i Gabon, ao amin’ny vondrona “B”. Hifandona amin’i […]
Taratra
Championnat des Nations U18 : Firenena 4 hiady izay ho lohany amin’ny taranja volley-ball
Handray lalao iraisam-pirenena ny Federasionina malagasin’ny volley-ball (FMVB). Santatry ny fiadiana ny ho tompondakan’ny firenena na ny “championnat des nations”, ho an’ny sokajy U18 zazalahy sy zazavavy. Ankoatra izay, hisy koa ny beach-volley. Hampiantrano ny andiany voalohany eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny firenena na ny “Championnat des nations”, taranja […]
Parlemantan’ny Tanora Afrikanina: Malagasy roa solontenan’ny ranomasimbe Indianina
Tanora malagasy roa no misolo tena ny faritry ny ranomasimbe Indianina ao amin’ny Parlemantan’ny Tanora Afrikana momba ny Demokrasia. Taorian’ny fifidianana nokarakarain’ny Fototra ny Fanavaozana ho an’ny Demokrasia na ny “Fondation de l’Innovation pour la Démocratie”, ny volana jolay lasa teo, i Espérance Amponga sy i Monja Tsirokay no voafidy […]
CHU Anosiala : Nisy ny hetsika fandidiana molotra sima
Herinandro no nanatanterahana ny hetsika fandidiana molotra sima tao amin’ny CHU Anosiala. Hetsika izay nokarakarain’ny ONG Well International sy ny CHU Anosiala. Fandidiana maimaimpoana ireo olona manana fahasembanana eo amin’ny molotra na sima, miisa 20 nahitana zaza sy olon-dehibe. Nisy ny fizarana traikefa sy fampiofanana ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana miofana […]
Analakely : Notsirihina ireo mpivarotra sakafo
Ho fanentanana momba ny fehezam-pitsipika mifehy ny fahadiovana eny an-tsena, nidina teny amin’ny Pavillon Analakely ny ekipan’ny CUA. Ho an’ireo mpivarotra legioma dia tokony hanana sobika sy kifafa ny mpivarotra tsirairay. Ireo nahitana loto teo amin’ny manodidina ny toeram-pivarotany dia nasaina nanadio avy hatrany. Ireo mpivarotra hani-masaka ao amin’ny zaimaika […]





