Taratra

Fifaninanana hidirana ho mpitsara : Voaporofo ny nisian’ny laza adina nivoaka mialoha, averina ny fanadinana

Averina ny fifaninanana hidirana ho mpitsara amin’ny lalam-piofanana ady ifanaovan’ny isam-batan’olona. Voaporofo fa nahitana laza adina nivoaka mialoha ka tsy maintsy nandraisana ny fanapahan-kevitra. Mampahafantatra ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo, fa taorian’ny fanapahan-kevitra hampiatoana ny fanadinana hidirana ho mpitsara, ny 15 marsa 2026 lasa teo, noraisina ny andraikitra ka […]

TARATRY ny KANTO

Efa tonga eto Madagasikara i Shenseea. Efa ao Nosy Be ity mpanakanto fanta-daza maneran-tany ity nanomboka omaly. Hisantatra ny «Festival Sô­maroho», ka hanafana ny alim-pandihizana any Dja­mandzar izy anio alina. Hiaka-tsehatra ao Ambodi­voanio kosa ny sabotsy izao. Manodidina ny «teza» indray ny lohahevitry ny «café histoire», hotontosaina ny sabotsy 8 […]

« Doria vita sokitra »: Hanomboka ny fampirantiana eny Isoraka

Hiverina hisokatra ny Mo­zean’ny zavakanto sy ny arkeolojia eny Isoraka. Vao­vao lehibe ho an’ny tontolon’ny zavakanto sy ny fampianarana izany noho izy eo ambany fiahian’ny oniversiten’ Antananarivo. Ankoatra ny maha tranombakoka sy toeram-pikarohana ho an’ny mpianatra azy, handray fampirantiana mandalo koa ny eny Isoraka. Hisantatra ny fi­sokafana ny «Doria Vita […]

Jazz@Tohatohabato : Hosokafan’ny « Jazz Kids » anio ny seho an-tsehatra

Hanomboka anio tolakandro, ireo seho sehatra rehetra hotanterahina mandritra ny Jazz@Tohatohabato taona 2026. Ireo ankizy sy tanora no hisantatra izany. Manomboka anio ka hatramin’ny alahady 9 jolay izao. Mai­maim­poana avokoa ny seho sehatra rehetra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny Jazz@Tohatohabato ho an’ity taona 2026 ity. Omena va­hana hatrany, rahateo, ny hetsika ankalamanjana […]