Taratra

Andron’ny manamboninahitra lefitra : Nitaky ny hanajana ny fitsipika ny Praiminisitra

Nomarihana teo anivon’ny Vondrona mpiaro ny Andrim­pan­jakana ao amin’ny Pri­matiora (BSP) ny 1 febroary ny Andron’ny manamboninahitra lefitra. Niatrika izany ny Praiminisitra, Ntsay Christian, ka nanafatrafatra azy ireo. Nambaran’ny lehiben’ny go­ver­nemanta tamin’izany ny maha zava-dehibe ny firahalahiana sy ny firaisankina amin’ ny fiatrehana ny adidy sahanin’ny tsirairay. “Takina ao anatin’izany […]

Tsy mandrimandry…

  Tsy mandrimandry be ihany ny tanàna amin’izao? Mirongatra ny asan-jiolahy: tsy andro tsy alina, tsy an-tanàn-dehibe tsy ambanivohitra… Zava-tsy inona, mety amoizana aina na aharatrana tsy amin’ny antony. Nahoana? Misy milaza fa miparitaka ny fitaovam-piadiana tsy fantatra hoe avy aiza, tsy miraharaha na matahotra fanjakana ny olon-dratsy, ao ny […]

Adin’i Rwanda sy i RDC Congo: Handefa miaramila dokotera i Madagasikara

Mametraka ny tanjany amin’ny resaka diplaomasia ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Nilaza ny handefa miaramila mpitsabo any Congo izy hanampy ny ekipa efa an-toerana. Nambaran’ny filoha Ra­joe­lina Andry, tamin’ny fihaonamben’ny troikan’i Sadc ho mpiantsehatra fa tsy mpitazana i Madagasikara. Manoloana ny ady ifanaovan’i Rwanda sy Congo dia hanome fanampiana eo […]

TSELATRA

Lehilahy nahatrarana trondro 5 kg nalaina tao amin’ny farihin’i Masay, ny alin’ny sabotsy 01 febroary teo. Amidiny eny an-tsena vao maraina ireo entana ireo ka anisan’ny hanamparihany izany ny eny Behoririka. Nogiazana ireo trondro sy ny fitaovam-panjonoana toy ny harato teny aminy. Kilan’ny afo ny tranon’ny ben’ny Tanàna teo aloha […]

Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka : Tratra ireo telo lahy mpamaky fasana

Fasana lehibe fito sy fasana 12 hafa nasesin’ny olon-dratsy telo lahy novakiana tao amin’ny fokontany Manom­pana, kaominina Soanierana Ivongo, ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma 31 janoary teo. Nahare feon’alika nivovo tsy toy ny nahazatra ny raim-pianakaviana nonina tsy lavitry ny toerana nisy ny fasana tamin’ny 10 ora alina mahery. […]