Taratra

Fitaterana kaontenera: Hentitra ny fanaraha-maso ireo fiarabe

Manamafy ny fepetra horaisina, manoloana ny tsy fanajana ny fenitra ara-piarovana amin’ny fitaterana kaontenera, ny fitondram-panjakana. Hita mantsy fa mbola misy ny mpitatitra tsy manaraka ny lalàna, araka ny didy lah-148 823/2003, indrindra ny fampiasana ny « twist lock », izay fitaovana fiarovana tsy maintsy ampiasaina hitazomana ny kaontenera eo ambony fiarabe. […]

MUSTIS : Hijery ny tombontsoa ara-toekarena sy fampiasam-bola maharitra

Hifantoka betsaka amin’ny fampiroboroboana ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fampiasam-bola eo amin’i Madagasikara sy Etazonia ny Madagascar–United States Trade and Investment Symposium (Mustis). Roa andro nijeren’ny andaniny sy ny ankilany ny soa fanararaotra ho an’ireo Malagasy sy amerikanina mpandraharaha momba ny varotra sy ny fampiasam-bola. Mino sy matoky ny fiaraha-miasa […]

INDRAY MIJERY

Mivadika mangatsiaka amin’izay ny andro rehefa diva haraina sy ny hariva. Mila mitandrina, noho izany ireo olona marefo, toy ny ankizy sy ny zokiolona ary ireo reny bevohoka sy ireo manana aretina mitaiza. Tena sarotiny izy ireny, mora andairan’aretina rehefa miova toy izao ny toetry ny andro. Nandritra ny fandalovan’ny […]

Toeram-pandraisana razana : 700 000 Ar isan’andro ny sarany

Nisokatra tamin’ity volana ity ny trano vaovao fandraisana razana Home maison funéraire eny Tsimbazaza.” Na­tsan­­gana izany noho ny fahatsapana fa tolotra mano­m­boka ilain’ny mponina izy ity amin’izao fotoana”, hoy ny mpitantana, Ranaivoarisoa Niritiana, omaly. Mandray razana no tena antom-pisiany fa ireo tolotra rehetra manodidina an’izay ao anatin’ny fiatrehana fahoriana koa […]

GproDMM : Tokony hampitomboina ny fanafody azo varotana

Tanterahina omaly, mitohy anio, ny zaikabe fahefatry ny Vondron’ny mpivarotra fanafody ara-dalàna na Dépôt de médicament (GproDMM) izay tarihin’ny filohany, Razafi­manantsoa Nandrianina. Tsy azo ihodivirana amin’ny rafitra famatsiana fanafody ny Dépôt de médicament. Natao hamaha ny olana amin’ny tsy fisian’ny fanafody ilain’ny vahoaka andavanandro, indrindra any ambanivohitra ny fisiany. Any […]