Taratra

Ambilobe: Masomboly voamarina

Tsy mbola ahitana mpamokatra masomboly voamarina ny faritra Diana. Izay no nahatonga ny fiofanana voalohany any an-toerana, natao ny 11 febroary teo, tao amin’ ny distrika Ambilobe. Nan­dritra ny 4 andro ny fiofanana. Nahatratra 16 ny mpiofana avy amin’ny fikambanan’ny tantsaha mpamboly vary miisa 16. Nanohana azy ny tetikasa Fiaro-AFDI, […]

Mamerin-kasina!

  Tato ho ato dia ohatra ny tsy maharesy lahatra izany intsony ny tombana ataon’ireo avy ao amin’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro. Raha milaza fa hafana sy tsy hanorana izy ireo, mbetika anefa ora-mikija arahina havandra no miseho. Raha milaza hisy orana kosa dia midongizina tsy mety mitomany […]

Fikirakirana ny teknolojia sy ny niomerika: Azo isarihana ireo mpampiasa vola

Hitondra fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara ny fikirakirana ny teknolojia niomerika. Manampy amin’ ny fisarihana ireo mpampiasa vola sy orinasa lehibe hitodika aty amintsika ny tontolon’ny haitao ara-kajy mirindra. Miara-dalana ny fampandrosoana sy ny niomerika, antony mahatonga an’i Madagasikara mametraka ny teknolojia ho ivon’ny sehatr’asany. Fomba iray hisarihana ireo mpampiasa […]

Rakotomanana Richardson : “Manjary simba endrika ny firaisamonina sivily”

“Manjary simba endrika ny firaisamonina sivily amin’ny fanaovan’ny sasany tsy manao ny asany amin’ny maha firaisamonina sivily azy”, hoy ny filohan’ny Fiombonan’ny firaisamonina sivily ho amin’ny fandrosoan’ny Malagasy na ny Coalition de la société civile pour le progrès des Malagasy (CSCPM), Rakoto­manana Richardson. Toy ny hoe manampy tosika na mamendrofendro […]

Fiainam-pirenena : Tsindrilentam-pahefana fa tsy mpanohitra ny firaisamonina sivily

Tsy mampitovy hevitra be ihany ny amin’ny hoe ny firaisamonina sivily. Manao politika? Na fitaovana politikan’ny any ivelany, tsy manao afa-tsy mitsikera… Mety tsy mitovy be ihany ny fijery arakaraka ny toerana misy ny tsirairay. Tsindrilentam-pahefana fa tsy mpanohitra ny firaisamonina sivily. Fanadihadiana… «Eo anelanelan’ny isam-batan’olona sy ny Fanjakana, fitambaran’olona […]