Ankizy roa vavy maty nilatsaka tao anaty lavadrano tamin’ny alatsinainy lasa teo, tao amin’ny fokontany Ampamohokely, kaominina sy distrika Andilamena. Samy efa-taona izy ireo. Hita ny talata teo kosa ireo vatana mangatsiakan’izy roa ireo. Nandeha niandry gisa ny ankizivavy miisa telo, ny alatsinainy. Nafana be ny andro, nandeha nandro tamin’ny […]
Taratra
Vokatry ny ora-mikija: Tafakatra 7 ny maty!
Tafakatra fito ny namoy ny ainy vokatry ny andro ratsy manerana ny Nosy. Anisan’izany ny maty tototry ny tany sy nianjeran’ny trano. 13 159 ny isan’ireo traboina mila tolo-tanana. Taorian’ny orambe nanomboka ny 14 febroary 2025, teto amin’ny Nosy, tafakatra fito ireo olona maty, raha ny tatitra navoakan’ny BNGRC, omaly […]
Klioban’ny UASC : Hanokatra Dojo ho azy manokana
Anisan’ny hanamarihina ny fankalazana ny faha-35 taonan’ny UASC (Union amicale et sportive des Cheminots), taranja Judo, ny fananganana amin’ny fomba ofisialy ny dojo ho azy manokana amin’ity taona ity. Mbola vitsy ny klioba eto Antananarivo, indrindra ny any amin’ny faritra, no manana dojo ho azy manokana fa voatery tsy maintsy […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotontosaina ny alahady 23 febroary ho avy izao, etsy Mahitsy, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Moto, sokajy “Enduro”. « Endurance Cram” moa ny anaran’ny hetsika. Tsiahivina fa ity ny fifanintsanana voalohany amin’ity taom-pilalaovana 2025 ity. Tontosa ny herinandro lasa teo ny fifaninanana fanokafana ny taom-pilalaovana 2025, ho an’ny taranja […]
Ping pong – AFRIKA : Mpilalao enina hiaro ny voninahi-pirenena
Hotontosaina any Tunisie, ny 25 hatramin’ny 27 febroary ho avy izao, ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja tenisy ambony latabatra, “Ping Pong”, sokajy lahy sy vavy. Araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny Federasiona malagasin’ity taranja ity (FMTT), omaly, mpilalao enina, efatra lahy sy roa vavy, no hiaro ny voninahitr’i Madagasikara, […]




