Nidona tamin’ny andrin-jiro, namoy ny ainy ny lehilahy iray nitondra moto marika Yamaha Cygnus I teo Antanimena, omaly alina tamin’ny 9 ora alina. Avy any amin’ny rond-point, nikasa hidina ny lalana mampitohy an’Ankorondrano io mpitondra moto io. “Nandeha mafy izy ka tsy nahafehy ny familiana intsony”, hoy ny fintataran’ireo nanatri-maso. […]
Taratra
Ambodin’Isotry : Jiolahy voatifitra, saika hamono polisy
Maty voatifitry ny polisy ny jiolahy iray saika hamira polisy tamin’ny zava-maranitra. Tetsy Ambodin’Isotry no nisehoan’izany, afakomaly alina. Lavon’ny balan’ny polisy avy ao amin’ny CSP 4, ny jiolahy iray nanafika Cash point tetsy amin’ny tetezan’i Bekiraro Ambodin’Isotry, afakomaly hariva. Tratra nandritra ny fisafoana nataon’ireto mpitandro filaminana teny amin’ny faritra EPP […]
Taranja tolona – Ekipa nasionaly : Hampivondrona ireo solofo mandimby
Ho fihatrehana ireo fifanintsanana iraisam-pirenena maro, hampivondrona ireo mpikatroka ny Federasiona malagasin’ny taranja tolona (FML), tarihin-dRaveloson Mamitiana. Nambaran’ity lehiben’ny federasiona ity, ny alakamisy lasa teo, tetsy Mahamasina fa hatao eny Ampefiloha, manomboka anio, ny fanomanana ny ekipa nasionaly. Ireo atleta zandriny nahazo ny laharana roa na telo voalohany isan-tsokajy tamin’ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Anisan’ny tena mampalaza ny eny Ankatso, ny fisian’ny fifaninanana kartie amin’ny taranja Rugby. Araka izany, misy ny lalao izay karakarain’ny AJS na ny fikambanan’ny tanora mpanao fanatanjahantena, ny alahady ho avy izao, eny an-toerana. Araka ny fikarohana natao miisa fito ny lalao handeha eny an-kianja amin’io fotoana io. Vita tanteraka […]
Karate-“Coupe de Mada enfants”: Hitiliana ny mpikatroka zandriny
Fifaninanana nasionaly hisantarana ny taom-pikatrohana 2025, ho an’ny federasion’ny Karate-do Malagasy, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy ankizy sy vehivavy. Fifaninanana hatao ny 1 sy 2 marsa izao, eny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina. Ho an’ny fifaninanana ho an’ny ankizy, natao izany mba hahafahana mitily ireo atleta zandriny (U8-U10-U12-U14) sy taninketsan’ny […]