Efa afaka tsidihina ny tranonkala e-Soratra, hahafahana manatanteraka ny fisoratana anarana ana habaka, ho an’ny lisi-pifidianana, araka ny vaovao navoakan’ny Ceni (Commission Electorale Nationale Indépendante), tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Tsy voatery ho eny anivon’ny fokontany, araka izany, ny olom-pirenena, vao afaka manao izay fisoratana anarana ao anaty lisim-pifidianana izay fa […]
Taratra
Resabe isan’andro
Tena mahita atao mihitsy ny Malagasy mpanao politika amin’izao fotoana izao. Isan’andro vaky tsy maintsy hahenoana resabe. Misy ny matotra, misy ny misavoamboana fa ny zavatra itovizany : ny vahoaka hatrany no mandray ny kihony. Anisan’ny nanaitra ny ranty tamin’ny tambajotran-tserasera mahakasika volabe an-jatony tapitrisa Dolara. Vola natokana ho an’ny traboina […]
Me Razafimanantsoa Hanitra : « Manana ny fiandrianany sy ny safidiny ny Malagasy »
Nandray ny sekretera jeneralin’ny « Organisation des États d’Afrique, des Caraïbes et du Pacifique – OEACP », i Moussa Saleh Batraki ny minisitra misahana ny Fanavaozana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, omaly. Voatsiahy tamin’izany ny lalan’ny Fanavaozana. Nitsidika ny minisitra Razafimanantsoa Hanitra, misahana ny fanavaozana, teny Antaninarenina, omaly, ny sekretera jeneralin’ny OEACP, Moussa […]
TSELATRA
Nomena fiofanana ireo andrimasom-pokonolona eny Itaosy sy Fiombonana, afakomaly. Nitarika ny fampiofanna azy ireo ny polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP Itaosy. Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny andraikitry ny Andrimasom-pokonolona, ny fomba fiaraha-miasa amin’ny mpitandro filaminana ary ny fandinihana ireo faritra mena isam-pokontany mba hanatsarana ny fisorohana ny tsy fandriampahalemana any an-toerana. […]
Nitaky 15 tapitrisa Ar : Zaza 12 taona nalain’ny zaodahiny an-keriny
Novonoin’ny zaodahiny ny zazalahy 12 taona, tao Belobaka, Tsiroanomandidy, afakomaly. Notakian’ilay vinanto lahy 15 tapitrisa Ar ny rafozany. Nihady votry hatao sakafon’akoho ity lasibatra no tsy hita intsony. Nitady azy ny fianakaviany, nametraka fitarainana teny anivon’ny manam-pahefana. Naharay hafatra miafina tamin’ny alalan’ny finday anefa ny reniny, ny alin’io andro nahavery […]





