Taratra

Harisoa Christiane: 13 taona tao anaty ekipa nasionaly, taranja Basikety

Minaoharisoa Jaofera Christiane, Malagasy mpanao basikety voafidy ho mpilalao mendrika indrindra, nandritra ny Africa Cup 3×3 natao teto Madagasikara, ny herinandro lasa teo. 13 taona izy izao no tao anatin’ny ekipa nasionaly ary anaram-boninahitra maro no efa norombahiny. Tany amin’ny taona 2013 i Christiane no nanomboka nanao basikety ary nandray anjara […]

Taranja tolona: nahazo fankatoavana tamin’ireo ligy ny fitantanan’ny Federasiona

Notontosaina teny amin’ny IFM Analakely, ny zoma lasa teo, ny fivoriana ara-potoan’ny Federasiona malagasin’ny tolona (FML), izay tarihin-dRaveloson Mamitiana, filohan’ny FML. Nambaran’ity lehiben’ny rafitra federaly ity fa nankatoavin’ireo mpitantana ny ligy dimy mandrafitra ny federasiona, ny tatitra ara-bola sy ny teknika ary ny ara-moraly, izay nataon’ny federasiona. Anisan’izany ny ligin’Anala­manga, […]

Baolina kitra sokajy vehivavy – Cosafa: Mahomby ny Barea de Madagascar

Nahazo vokatra tsara indray ny ekipam-pirenena malagasy, Barea, vehivavy, ny sabotsy lasa teo, tany Afrika Atsimo. Manana isa enina izy ireo, miandry azy ireo i Afrika Atsimo, mpampiantrano. Notanterahina ny sabotsy teo, tao amin’ny Kianja UJ Soweto Johannes­bourg, Afrika Atsimo, ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’ireo firenena aty amin’ny […]

Sombim-baovao

Miandry fatratra ny anaran’ny mpanazatra vaovao hitondra ny Barea de Madagasikara A, ny mpankafy baolina kitra, eto an-tanindrazana. Ha­tramin’izao, tsy mbola fantatra mazava ny isan’ireo teknisianina nandefa taratasy ao amin’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Tsiahivina fa efa nifarana ny 5 desambra teo ny fe-potoana nomena ireo mpanazatra handefasana taratasy. […]