Tsy hisy fijerena loko politika ny fanendrena ireo sefo fokontany, araka ny nambaran’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Rakotonandrasana Velonjara Tiaray. “Tena hifantoka manokana amin’ ny traikefa sy ny fahaiza-manaon’izy ireo ny ho fanendrena », hoy izy. Nanteriny fa miankina amin’ny fikaonandoham-pirenena ny ho sata sy hoavin’ny rafitry ny […]
Taratra
Synadjad : Simban’ny politika ny raharaham-panjakana
“Tafiditry ny politika loatra ny fitantanan-draharaham-panjakana”, hoy ny filohan’ny “Syndicat des adjoints d’administration de Madagascar” (Synadjad), tamin’ny mpanao gazety, teny Anosy, omaly. Milaza ny lalàmpanorenana fa tsy azo anaovana politika ny fitantanan-draharaham-panjakana. Nefa tsapa ankehitriny, efa ho roapolo taona mahery: na ny olom-boatendry aza amin’izao, lasa idiran’ny politika. Ohatra amin’izany, […]
Miverina indray ny honohono
Asa hanao ahoana no hiafaran’ity resaka mandeha etsy sy eroa ity. Mampahatsiahy ny fotoana fohy nialoha ny nirodan’ny fitondran-dRajoelina Andry ilay zava-miseho. Tena miverina avokoa ny raha tsy manjarizary nitakiana fanovana. Zary mampiaka-peo ny olom-pirenena sy ny firaisamonim-pirenena ny zava-misy. Ohatra ny samy mitondra ny lohany avokoa izay afaka […]
Fandaharanasan’ny Fanavaozana : Hiainga eny amin’ny fokontany ny fakan-kevitra
Notanterahina omaly, tetsy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, ny fihaonana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena. Niompana tamin’ny fampahafantarana ny fandaharanasan’ny Fanavaozana izany. Anisan’ny nivoitra tamin’ ny fihaonana ny fampahalalana amin’ireo mpiara-miombon’ antoka ara-bola sy teknika (PTF) ny antsipirian’ireo tetiandro, ny paikady hanatatanterahana izany ary ny vina efa voarakitra ao anatin’ny programanasan’ny Fanavaozana. Tafiditra ao […]
TSELATRA
Notanana vonjimaika any am-ponja, omaly, ireo roa lahy tratra nangalatra tao Ampasapito. Nafatratr’izy roa lahy tao anaty gony ny akoho fakana nofo am-polony. Saron’ny mpitandro filaminana tamin’ny marain’ny alatsinainy 20 avrily teo, tamin’ny 1 ora sy sasany maraina izy roa lahy ireo. Manao antso avo amin’ny tomponandraiki-panjakana ny ray aman-drenin’ilay […]




