Nivoaka amin’ny fahanginany ny mpanolotsain’ny Tanàna, Ravalolomanana Lalatiana, manoloana ny fitantanana ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Nambarany fa vonona hatrany ny tenany hijoro sy hitondra ny traikefany eto amin’ny tanàna. “Hipetraka ho ray aman-dreny sy hampita ny fahaiza-manao izahay. Efa nandalo fepotoam-piasana telo ka tsy mety ny mandray baiko fotsiny […]
Taratra
Mifankatia
Nafana ny zoma manifika, omaly. Nifanojo rahateo tamin’ny fankalazana ny andron’ny mpifankatia izany. Feno ny trano fisakafoana, maro olona ny trano fandraisam-bahiny. Nandeha ny tsena ho an’ny mpivarotra fanomezana. Tena samy nanao izay mety ny tsirairay, arakaraka ny enti-manana. Raha natao jery maimaika dia hoe: tena mifankatia ilay Malagasy. […]
Fandaharanasa iarahana : Nampivoatra ny teny ifotony ny Pnud sy ny MFFT
Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, tetsy Anosy, ny solontena maharitry ny Pnud, Dr Edward A. Voaresaka ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Anisan’ny nifanakalozana tamin’izany ny fanohanan’ny Pnud, amin’ny alalan’ny MFFT, ny fandaharanasa « Rindra ». Miompana amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fanatsarana ny […]
TSELATRA
Mpangalatra moto iray tratran’ny zandary, izay niditra antsokosoko tao amin’ny EPP Analamalotra, Toamasina, omaly tamin’ny 09 ora 30 minitra maraina. Natosiny moramora hivoaka ilay moto mipetraka eo an-davarangana, nihevitra izy fa tsy hisy hahita. Nisy mpianatra nahita anefa izy, ary niantso olona hisambotra azy. Tonga teny an-toerana ny avy ao […]
Natao tao anaty ranona kafe: Saron’ny zandary ireo rongony 10 fonosana
Saron’ny zandary miasa eo anivon’ny Poste Anosizato, omaly, ireo rongony 10 fonosana. Hita tao amin’ny tranona ramatoa iray monina etsy amin’ny Dalle, fokontany Ankazotoho, kaominina Anosizato Andrefana. Tsara afina tao anaty vilany takoboka mpitahiry hafanana ireo zava-mahadomelina ireo. Heverina ho ranon-kafe mafana hay ravina maina mpitondra ambiroa ho any amin’ny […]




